TENY ho vakiana

Joba 7.1-7

1 Korintiana 9.16-23

Marka 1.29-39

Nivoaka ny Synagogan’i Kapernomy i Jesosy ary nikoizan’ny olona ny toriteniny satria tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.Samy nahatsiaro ny rehetra fa nisy zava-baovao tamin’ity andro ity saingy mbola tsy hariva ny andro. Indro Jesosy nandeha niantrano tao amin’i Petera. Niaraka taminy koa i Andrea rahalahin’i Simona Petera sy Jakoba ary Jaona. Mbola mifanotany ny olona hoe : Iza ity ? satria mbola gagan’ny namoahan’i Jesosy demonia ny olona. Tao an-tranon’i Petera indray mbola nisy zavatra hafa nametrahana fanotaniana dia ny nanasitranan’i Jesosy ny rafozam-baviny. Zava-baovao io fanasitranana io, zava-baovao manampy izay efa nitranga tany amin’ny Synagoga. Tsy nampiasa teny tsy fantatra, na nanome fanafody, na nanotra ny marary izy. Ny voalaza dia nandray ny tànany Jesosy ary nanarina azy ; dia afaka ny tazony.

Ny harivan’io ihany. Voatery miandry ny andro hariva moa ny Jiosy vao afaka mihetsika satria Sabata ny andro dia nibosesika tao an-trano ny olona. Be loatra ny zava-nitranga tamin’ity andro ity ka tsy naharitra ny olona hijery sy hitady an’i Jesosy. Nandeha ny resaka manerana ny tanana. tsy misy mahafantatra an’i Jesosy. Ny hany nahalala azy dia ny demonia. Jesosy anefa niteny mafy azy ireny. Na izany aza dia nanaiky ny olona fa tonga mba hanala ny fahorian’izy ireo Jesosy ka dia niazakazaka izy.

Vao maraina koa dia tsy hita Jesosy. Nankany an-tany foana ka nivavaka tany izy. Nandeha nitady Azy Simona sy ny namany Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe : Ny olona rehetra mitady Anao. Mahagaga anefa ny teny navalin’i Jesosy azy : « Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa ; fa izany no nahatongavako » Tsy nahoan’i Jesosy ireto olona nitady Azy. Mbola maro ny olona tao Kapernomy no tia handre ny toriteniny. Tao koa ny nila fanasitranana. Azo lazaina fa lasa vedette tao an-tanana i Jesosy saingy tsy nahoany izany. Ny nahamaika azy dia ny handrenesan’ny olona rehetra ny Vaovao Mahafaly. Izany no nahatonga an’i Marka ilaza hoe : Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ny synagogan’ny olona eran’i Galilia. Fa nahoana ary no efa tian’ny olona tahaka izao Jesosy no nandeha nitsoaka. Mino isika fa misy antony izany. Tsy azo lavina fa mbola mangetaheta ny mponina tao Kapernomy, nefa tsy ho azony ho tazonina ho azy irery i Jesosy. Nilaina ny eritreretan’izy ireo samy irery ny teny nomena azy. Fa ny tena zavatra misongadina dia ny hoe : Ny vaovao Mahafaly dia manosika ireo voatendry hilaza azy tsy ho tafandry mandry mandram-pandre ny olona rehetra izany Vaovao izany. Fa izany no nahatongavako hoy Jesosy ary mba hahitan’ny olona rehetra fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Ampy izany fa ny voninahitra sy ny fitiavan’ny olona ambonambony izany ka tsy nahakasika an’i Jesosy.

Fa inona no lesona azotsika raisina. Nahazatra antsika ny mahita Mpitandrina maharitra 30 taona 40 taona aza ao amin’ny Fiangonana iray. Rehareha mihintsy aza na ho an’ny Mpitandrina na ho an’ny Fiangonana izany. Asa re hatraiza ny tokony hanarahana ny nataon’i Jesosy ka tsy nanaiky hijanona tao Kapernomy fa nadeha kosa nitoriteny tany amin’ny Synagoga eran’i Galilia. Fomba amin’izao fotoana izao ny mifanakalo pilipitra ny Mpitandrina asa hatr’aiza ny mahamety izany. Fa ny tena zava-dehibe dia ny tsy ho voatanan’ny voninahitra ao amin’ny misy antsika tsirairay avy fa hahatsuaro kosa fa ny nivoahatsika dia ny ampiely ny Vaovao mahafaly. Betsaka ny fomba hampielezana aingana ny Vaovao mahafaly amin’izao fotoana izao. Ny Radio, ny Gazety, ny internet. Efa misy na dia aty Madagasikara aza ny Fiangonana manana ireo fomba hitoriana ny Vaovao Mahafaly ireo.

Raha mijery izay voasoratra ao amin’ny Koritiana isika dia tahaka an’i Jesosy koa Paoly, notadiaviny daholo ny fomba rehetra hitorina ny Vaovao Mahafaly. Izao no voasortra ao amin’ny Koritiana : « Fa na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy ; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna ; tamin’izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna ; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy ; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.

Mino aho fa isika rehetra dia hanao tahaka an’i Paoly hoe : « Fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho. »