Teny ho vakiana

ISAIA 5 : 1-7

FILIPIANA 4 : 5-9

MATIO 21 : 33-46

Miditra amin’ny volana Oktobra isika izao. Ho an’ny tany mangatsika toan’ i Frantsa dia fotoanan’ny fiotazana voaloboka izao fotoana izao. Fotoanan’ny fifaliana satria samy mahazo soa amin’izany daholo na ny tompon’ny tanim-boaloboka na ireo mpioty izay mahazo asa.

Eto amin’ity filazantsara araka an’i Matio voalahatra ho toriana ity dia nanao fanoharana momba ny mpikarakara ny tanim-boaloboka lasa mpandatsadra Jesosy. Olona tokony hitondra fifaliana amin’ny fanomezana divay nefa dia lasa mpandatsa-drà. Raha ny marina dia mitantara ny fiainan’ny olombelona ity fanoharana ity. Ny divay dia manambara ny fifaliana nokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona ary ny ra nalatska kosa ho fanavotana azy.

Betsaka loatra raha tsy hijery afatsy ny ao amin’ny filazantsara isika ny resaka momba ny voaloboka, tanim-boaloboka, divay. Ny fahagagana voalohany sy ny fihetsika farany nataon’i Jesosy teto an-tany dia hahitantsika Azy nandray kapoaka sy nisotro divay rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra.

Fa angamba hioatra ny fitantarana mety ataotsika, ny fijerentsika ny voaloboka sy ny manodidina azy. Heveriko fa hilaza amitsika izay tian’ny Tompo aseho antsika izany.

Ny tanim-boaloboka.dia tena nila fikarakarana fatratra raha izay voalaza ao amin’ny baiboly no jerena. Ary raha raisitsika ho ity tany misy antsika ity no tanim-boaloboka dia mila asa avy amintsika no mahatsara ity tanintsika ity. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izany isika hahatotonsa ny famoronana izao tontolo izao. Ary raha ity fanoharana nolazain’i Jesosy ity no jerentsika dia hitantsika fa napetrany ny Tompony hahofany tamin’ny mpiasa ny tanimboaloboka. Mpanofa ihany izany isika fa tsy tompony. Mpiandry omby vola vita ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Nefa firy no mivono-ko tompony. Firenena matanjaka maro no milaza fa izy no mpandidy izao tontolo izao ka mahazo manao izay tiany hatao, eny fa na dia ny hanimba izany tany izany amin’ny loto sy ny entona maloto alefany eo anivon’izao tontolo izao aza . Eo ny sasany indray izay manapotika amin’ny alalan’ny basy, tafondro sy ny baomba aza ilay napetraky ny Tompo taminy.

Raha ny voany indray no jeretsika, ny voaloboka dia isan’ny voankazo be mpitia indrindra. Voankazo mamy sady mahasalama. Moa tsy manambara amitsika ny hakanton’ny zava-boaharin’Andriamanitra ve izany ? Tsara tsy misy azo kianina izao tontolo izao raha niala teo an-tananan’Andriamanitra, matoa miharatsy izy dia noho isika olombelona tsy nahay nikajy azy.

Ny voaloboka dia tsy tonga ho azy ho divay raha tsy misy asa be ataon’ny mpanao divay. Mila kojakoja, mila fotoana maharitra vao tonga amin’ny maha-divay tsara azy. Nefa rehefa tsara ny divay dia mitondra fifaliana ho an’izay misotroa azy (raha sotrona am-pamendrehana tsara). Hay ny hampisy fifaliana ho any olona tsy vita mora. Ny hampisy fiadanana ho ity tanitsika ity mila herim-po, mila fikaroana, mila fitiavana, mila tsy fandriana andro tsy fandriana alina avy amitsika.

Fa tonga eo amin’ny lafiny faharoa isika dia ny ra latsaka . Raha mamitina ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olomboafidiny Jesosy dia sahy milaza fa nolavin’izany olomboafidiny izany Andriamanitra. Tsy amin’izao fotoana misy antsika izao ihany no nisy fandavan’olona an’Andriamanitra, ka hilazany aza fa tsy misy izany Andriamanitra izany fa efa hatrin’ny ela. Nefa endrey ny fitiavanAndriamanitra fa nianga tamin’izany fandavana izany ny Vaovao mahafaly dia ny famonjena. Ny fandavan’ny olona tsy nanakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany feno fitiavana. Naniraka mpanompo maro izy ary farany nohirahiny ny Zanany. Avy amin’ny ran’ny Zanany latsaka no nipoiran’ny Famonjena. Nihevitra ny olombelona fa ho foana hatreo ny fikasan’Andriamanitra raha maty ny Zanany, saingy tsy fantatry fa avy amin’izany no nitondran’Andriamanitra fanavotana ho azy.

Nefa mety handalo fotsiny izany fanavotana izany. Ho latsaka foana ny rany raha tsy manaiky handray azy isika. Manao fanasana ny Tompo, manolotra ny mofo sy ny divay Izy dia ny tenany sy ny rany. Hisy hihinana sy hisotro izany ka hahazo famonjena sy fiadanana. Fa hianao kosa mba ahoana ?.

Sao tsy mba manana anjara amin’ny fifaliana atolony aza Hianao ? Mieritrereta.