TENY ho vakiana

ISAIA 12

FILIPIANA 4 : 4-7

LIOKA 3 :10-18

Tamin’ny heriny isika dia niresaka ny momba ny fibebehana izay nambaran’i Jaona Mpanao Batisa tsy maintsy hatao ny tsirairay avy. Avy hatrany dia nametraka fanotaniana ny olona : « Inona no tokony hataonay ». Ireto olona niara-niaina tamin’i Jaona Mpanao Batisa ireo dia olo-tsotra tatsaha ny ankamarony. Te hiaina feno ny batisa lazain’i Jaona izy ka nametraka ny fanotaniana. Tahaka ireo koa isika « Inona no tokony hovantsika amin’ny fiainantsika, inona no tokony hataotsika amin’izao Krismasy izao » Tsy afaka mihanina amin’ny teny sy ny fombafomba intsony isika, fa tokony hametraka ireo fanotaniana ireo.

Ho an’i Jaona Mpanao Batisa tsotra ny valiny, ary zavatra azon’ny rehetra hatao ny valiny eny fa na mahantra aza izy. « Izay manana akanjo roa dia aoka izy hanome izay tsy manana ary izay manan-kanina dia aoka hanao toa izany koa ». Amin’ny fiainana andavan’andro no tokony hisehon’ny fiovana dia ny akanjo sy ny sakafo. Tsy ilaina akory ny mijery boky atsy sy aroa fa mandehana ianao dia jereo ny fitoeran’akanjo sy ny sakafonao, raha misy ao dia zarao amin’ny tsy manana.

Fa tsy nijanona teo ireo olona nanotany. Karazan’olona nangoronan’ny olona lamba tamin’izany fotoana izany indray no nanotany dia ny mpamory hetra sy ny miaramila (polisy). Raha tonga ny Mesia dia nohevenrin’ny Jiosy fa ireo karazan’olona ireo dia tsy ho afaka hanatona Azy mihintsy. Tamin’ny Jiosy dia ireo no tena mpanota matevi-koditra. Tsy izy ireo akory no tsy tian’ny Jiosy fa ny asa hataony. Ny mpanory hetra mpangalatra hita maso ary ny miaramila dia heri-mpnoretan’ny Romana. Tsy nagataka taminny hiova asa akory i Jaona fa kosa hanao izany amin’ny fomba vaovao. « Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo hoy izy mantsy ny mpanory hetra. Ho an’ny miaramila dia ny kolikoly no noteneniny. »Miononà amin’ny karamanareo » hoy izy.

Tokony ho vita teo ity tantara ity. Saingy tsy nianina tamin’izany ny vahoaka satria nangetaheta zavatra hafa izy. Tsy niandry fotsiny izay tokony hatao izy fa niandry olona hafa mihitsy dia ny Mpamonjy. Fo mitady famonjena tahaka izany no nanotany an’i Jaona hoe « Hianao ve no Kristy ». Toa ny milaza hoe : « Misy Mpamonjy ve eto amoron’ny Jordana eto ? » Moa ry havako isika koa tsy mametraka fanotaniana tahaka izany : Moa misy Mpamonjy afaka hamonjy ahy ve ?. Paoly dia niteny ho : » Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity. »

Jaona Mpanao Batisa dia nilaza amin’ireto vahoaka ireto hoe. « Tsy isika ireto ihany no acteurs eto amoron’i Jordana fa misy hafa koa, izay avy aoriako ka Izy no mitana ny rôle principal. Io ilay Mpamonjy tadiavinareo Izaho manao Batisa anareo amin’ny rano fa Izy hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo. Ilay Fanahy izay handoro ny tsy metitsika rehetra. Hanpotipotika antsika dia ilay isika taloha. Tsy izany fa raha tohizatsika dia nambarany fa hikororoka ny vary Izy ka hanavaka ny vary amin’ny akofa sy ny mololo Toa manery atsy koa izany hikororoka ny fiainatsika ka hanavaka sy handoro ny tsy mety rehetra : ny fitiava-tena amin’ny tena fitiavana ny tsy rariny amin’ny fahamarinana, ny tena fiandrasana ny Tompo sy ny fetifety fotsiny sns…. Fa raha izay no hataotsika dia hahita ny Tompo tokoa isika amin’ity Noely 2009 ity