GENESISY 1 : 26 – 31

Tena mahavariana ny fomba filazan’ny soratra masina ny naharian’Andriamanitra ny olombelona. Tsy nataony latsa-danja ny olombelona fa nataony ho tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny. Tsy vao izao isika no nahare izany. Ary ny soratra sy adi-hevitra momba izany dia maro.

Matoa Andriamanitra namorona ny olombelona dia satria nisy fitiavana tao. Tia ny olombelona Izy. Tsy ny olombelona no noforononiny voalohany. Efa niasa nandritra ny dimy andro Izy vao nihevitra ny amorona ny olombelona. Azo lazaina hoe ny nahariany ny zavatra rehetra teo aloha dia toa manome lanja lehibe ny olombelona izay hohariany.

Moa ve tsy zava-dehibe izany ? Naka fotoana malalaka Andriamanitra ary tsy mba maika. Nataony vonona daholo ny zavatra eto an-tany mba hivantanan’ny olombelona. Ny olombelona mantsy dia ho mpivahiny fa tsy haharitra eto ka tsy maintsy omena izay hahavelomany eto an-tany.Omena izay sahaza azy. Vita avokoa izany ary dia indro tonga raha olombelona.

Noforonina ho lahy sy vavy izay misy ny hitovizana : ny vatana ,ny loha, ny tongotra. Nefa dia marihina fa ao ireo faritra tsy hitovizana amin’ny ara-batana. Ilaina izany ny mahasamihafa azy dieny tany am-boalohany. Tsy mba nanao foana Andriamanitra. Raha lahy roa na vavy roa dia hametraka olana satria tsy misy ny hihavahany ka hahatonga fifandisoan-kevitra. Ary tsy mitondra voka-tsoa izany.

Raha hamorona olombelona tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny Andriamanitra dia manao ahoana Izy ? Fanontaniana sarotra . Moa ve misy loha sy tanana sy tongotra ary vatana Andriamanitra. Tsy nisy nahita an’Andriamanitra. Ny voalza aza dia hoe : izay nahita Azy dia maty. Nefa koa i Joba dia niteny hoe : ny masoko efa nahita. Mifanohitra ireo izany ?

Fa kosa, mailaka ny olona milaza hoe : Andriamanitra ange ka mahita antsika, mihaino antsika, mitsinjo antsika. Fa tsy mbola nisy afaka nanoratra na nanao sary hoe toy izao ny endrik’Andriamanitra na toa izao ny tarehiny.

Makà saina iray na roa minitra monja ka lazao hoe tahak’izao ny tarehiny. Asa raha mahita valiny ianao ?

Fa nahoana moa no nataon’Andriamanitra toy ny endriny sy araka ny tarehiny ny olombelona ?

Jereo ange ny endrika sy tarehin’ny olombenona. Jereo ny eo amin’ny manodidina sy mifanaerasera aminao isan’andro.

Isakarazany ny endrika sy tarehy hitanao. Raha jerena isaky ny firenena na tany na toerana nihaviny, na dia ao ny mitovitovy . Na ny kambana aza hita ihany ny mahasamihafa azy.

Zava-dehibe mantsy ny endrika sy ny tarehy satria io no matetika hita voalohany rehefa mijery na miresaka amin’ny olona isika. Ny tarehy no manintona voalohany. Toy ny tselatra ny fisainana ary miteny hoe : Tsara tarehy izany olona izany. Na koa hoe :tsy mahataitra ahy izany olona izany. Na koa ihany hoe : ratsy tarehy izany olona izany ary io dia miafara amin’ny tsikera sy fosa .

Fa iza moa isika no tokony hiteny toa izany ? Tsy haintsika akory ny mamorona olombelona. Ny vita hatramin’izao dia « robot ».

Mahavariana ange ny fahitana tarehin’olona samihafa.( Tsy milaza izany fa maro Andriamanitra). Hay tahak’izao ny avy ary na ery. Ao ny gaga sy taitra raha mbola tsy nahita olona avy amin’ny tany hafa. Faly koa anefa fa hay midadasika izao tontolo izao ary isakarazany ny olombelona no tian’Andriamanitra avokoa.

Ny fijeren-davitra sy ny interneto moa dia vao maika hahitana tarehin’olona tsy hita havan’avana. Tsy misy mahavita ny vitan’Andriamanitra ny olombelona eo amin’ny lafin’ny famoronan’ olona. Nandaniany fotoana ny namolavola sy nanome endrika azy. Napetrany teo amin’izay tomombana ny fiainan’ny olombelona.

Ny Genesisy 1 andininy 31 milaza fa  » hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany ».

Endrey maro dia maro ny olombelona manerana izao tontolo izao. Nefa dia ao ny mifanenjika sy mifamono ny sasany. Mifankahala nefa tsy izany no asa niantson’Andriamanitra azy eto an-tany.

Aoka tsy ho hadino ary atao ho zava-dehibe fa ny olona tsirairay dia nataon’Andriamanitra tahaka ny endriny sy ny tarehiny. Samy tsara avokoa satria tsara Andriamanitra.

Koa mampahatsiaro koa ny Teny anio mba tsy hisy na iray aza sahy hanimba ny tarehin’ny rahalahiny na ny rahavaviny na ny havany . Eny fa na dia ny fahavalony aza . Satria taratra ao amin’ny olona manoloana anao sy ahy ny tarehin’Andriamanitra.Koa kojakojay satria mendrika anao izany matoa nataon’Andriamanitra toy izao ny tarehinao. Izany hoe ao anatinao ilay fanahy manome ny endrik’Andriamanitra.Ny ratsy tarehy amin’ny sasany ? Tsara tarehy amin’Andriamanitra. Fanomezana sarobidy ka aza atao kilalao. Mifalia ary misaora ny Mpahary. Amena