TENY ho vakiana

1 Samoela 3.3-19

1 Koritiana 6.13-20

Jaona 1.35-42

Manomboka amin’ity alahady ity ka haharitra mandritry ny herinandro ny herinandro fiara-mivavaka ho an’ny friraisam-pinoana . Ilay firaisana nisy tany am-boalohany dia noravan’ ny kristiana . Samy mandrirotra araka izay heviny ny tsirairay , hany ka tahaka ny nofy sisa ny Fiangonana iray izay nirin’ny Tompo ka nitenenany hoe : “Mba ho iray ihany izy rehetra “.

Raha jeretsika indray ireo teny voalahatra ho toriana dia miresaka indrindra ny momba ny fiantsoana. Koa raha miresaka fiantsoana isika dia afaka milaza fa ny Fiangonana dia fikambanan’ny olom-boantso. Misy isan-karazany ireo olom-boantso. Misy ao amin’ny fiangonana ny avy amin’ny antoko politika samihafa. Misy ao amin’ny fiangonana ny mahantra sy ny manakarena. Olona samy hafa fiaviana koa no hita ao amin’ny fiangonana. Misy zazavao amin’ny finona ary misy koa efa vontom-pinona. Noho izany dia tokony ho hay ny mandrindra izany rehetra izany. Tamin’ny adi-poko nisy tany Rwanda araka ny tantara dia nisy avy amin’ny foko samy hafa ary noho izany dia nifamono nefa samy kristiana. Mino aho fa tsy ho amin’ny fiangonana malagasy noho hisy izany. Tsy ny hanerena rehetra hitovy tantana akory no lehibe ao amin’ny fiangonana fa kosa ny hahaizan’izy rehetra miara-miaina. Harena ho an’ny Fiangonana ny fanana olona isan-karazany tahaka izany. Andeha aza ho lazaina fa raha ilay fanompom-pivavahana hatao mandrintry ny herinandro tsy ny hoe : haha-katolika na protestant ny rehetra, fa mba haha-iray ny fiangonana.

Raha miresaka fiantsoana indray isika dia samy hafa ny fomba niantsoan’ny Tompo. Misy ny sasany mbola zaza dia efa natsoiny tahaka an’I Samoela. Misy ny mandreha mivantana ny Tompo miantso azy. Toa izay hitatsika ihany amin’I Samoela. Misy avy amin’ny alalan’ny nofy. Misy tamin’ny fitaizana nataonn’y ray aman-dreny sy ny mpanabe noho nahatonga ny fiantsoana azy. Ny ankamaroany amitsika angamba dia samy efa nampianarina ny momba an’Andriamanitra. Mpianatra Sekoly Alahady, Tanora Kristiana. Nisy anefa no afaka nitaiza izany zavatra azon’izany. Nefa ihany koa dia misy ny miala amin’izany nitaizana azy.

Raha tahaka an’I Andrea sy Jaona indray dia ny fitiavan-kafantatra tsotra izao no lalana niantsoana azy. Vao nilazana Jaona Mpanao Batisa ny momba an’I Jesosy izy ireo hoe : Indro ny Zanak’ondrin’Andrimanitra ! Dia indro fa nanaraka an’I Jesosy. Ny Soratra Masina moa miteny hoe : Fantaro ny zavatra rehera ary hazony mafy izay tsara.

Misy kosa tahaka an’I Petera izay ny namany na ny rahalahiny no nitarika azy. Ary rehefa tafahaona tamin’I Jesosy izy dia natsoin’I Jesosy hanaraka Azy. Isan’ny hiadina hevitra ny hilana na tsy hilana ny fijorona ho vavolombelona. Misy mihevitra fa fisehosehona izany. Nefa dia misy avy amin’ny fandrenesana izany fijorona ho vavolombelona izany no niantson’ny Tompo azy.

Fa samy hafa koa ny asa hiantsoana ny tsirairay. Tao amin’ny mpiantr’i Jesosy moa dia nisy ny mpitam-bola, nisy solotena ny rehetra miteny, nisy ny irakiraka, nisy ny mpiaraka amin’i Jesosy rehefa misy zava-dehibe hataony. Tahaka izany koa ny Fiangonana. Misy ny mpitandrina, misy ny diakona, misy ny Antoko Mpihira sns… Tokony tsy hisy ao amin’ny Fiangonana ho mpitan-damba fotsiny ary tsy hifam-pialonana koa ny asa koa rehefa tsy voafidy dia tezitra ka lasa manangana fiangonana tsy miakina.

Ny takina amin’ny rehetra rehefa voantso dia ny manolo-tena dia ny tena rehetra. Ary io no nambaran’i Paoly ao amin’ny Koritiana. Moa tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ny tenanareo. Koa isika tsy misy analana no antson’ny Tompo. Isika sy ny fahalemetsika nefa koa isika sy ny finoatsika, isika sy ny hafanam-potsika. Izany isika rehetra izany no tian’ny Tompo ka natsoiny. Miantso anao ny Tompo : « Andeha hanaraka ahy ». Mino aho fa ho tahaka ireo rehefa natsoiny isika ka tsy hisalsala fa andeha amin’izay hanirahany antsika.