TENY ho vakiana

Isaia 43.18-25

2 Korintiana 1.18-22

Marka 2.1-12

Miditra amin’ny fitantaran’i Marka ny fahagaga fahatelo nataon’i Jesosy isika androany. Ny voalohany moa ny nanasitran’i Jesosy ny rafozam-bavin’i Petera, ny faharoa dia ny nanasitranana an’ilay boka ary ny fahatelo dia nanasitranana an’ilay paralysisa izay nentin’ireo namany teo amin’i Jesosy.

Mitovy amin’izay efa hitatsika tamin’ny teo aloha ihany ity farany ity. Azo lazaina aza fa lehibe ny zavatra ambarany.

I Marka izay mitantara ny nanasitranan’i Jesosy ity mararin’ny paralysisa ity dia milaza ny haben’ny finoan’ilay marary sy ireo namany nitondra azy.

Feno olona ny trano nisy an’i Jesosy. Jesosy rahateo variana nampianatra. Tsy nisy azo nidirana ny varavarana. Hany azo nataon’ireto naman’ilay marary niakatra tany an-tafotrano nandoaka izany dia nampidina ilay marary tao amin’ny efitra nisy an’i Jesosy. Manampy izany mararin’ny paralysisa ity olona nentina teo amin’i Jesosy ity. Tamin’ny Jiosy ny mararin’ny paralysisa dia tahaka ny mararin’ny habokana ihany ka nolazain’izy ireo fa mpanota. Noho izany dia nanana fahasahina tokoa ilay marary sy ireto namany satria tsy vitan’ny hoe : mety ho horakorahan’ny olona fotsiny izy ireo fa mety ho tsy hahafaly koa an’i Jesosy izay voakotaba tamin’ny fampianarana nataony. Koa raha vao tonga teo anoloan’i Jesosy ilay marary dia miandry ny olona.

Jesosy anefa nahita ny tanjaky ny finoana nateraky ny fitondrana ity marary ity dia nahatsiaro ny hetahetam-pahasitranana teo amin’ilay marary sy ny namany.

Tonga dia tsy nisalasala Izy. Tsy nangataka na inona na inona taminy ity olona ity fa kosa tonga eto anoloany izy ary izay no nentiny nanambara ny fahatokisany an’i Jesosy. Dia hoy Jesosy taminy : Anaka, voavela ny helokao. Raha noheverin’ny Jiosy fa ny fahotany no nahatonga ny fahararin’ity olona ity avy hatrany dia tany no no nohezahan’i Jesosy nomena fanafody voalohany indrindra. Zavatra roa no nahatonga an’IJesosy hanao izany. Raha ny marina tsy ho afaka hiteny intsony ny Jiosy satria ny heloka mety ho vitan’ity marary izay antony ny faharariany no navelan’i Jesosy ary ny faharoa rehefa afaka ny helony dia afaka mihavana amin’Andriamanitra izy fa ny fanasitranana manaraka.

Raha no tokony ho izy dia tokony ho faly ny olona, saingy nisy Mpanoira-dalana teo izay nieritreritra fa tsy anjaran’i Jesosy velively ny mamela heloka. Tsy faminaniana fotsiny intsony no hitany fa i Jesosy ity dia misandoka ny asan’Andriamanitra, satria mamela heloha Izy. Fantatr’i Jesosy anefa ny eritreriny ka dia notazominy tamin’izany ireto Mpanora-dalana ireto. NY Mpanora-dalana milaza fa ny fahotana no mahatonga ny aretina mahazo ity lehilahy ity, koa raha tsy avela ny helony dia mbola tsy ho afaka amin’ny aretiny ity lehilahy ity. Dia hoy Izy : « Fa mba ho fantrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka » Izany hoe raha ho sitrana ity lehilahy ity dia satria voavela ny helony ary noho izany dia manana fahefana hamela heloka i Jesosy raha afaka manasitrana azy. dia hoy izy tamin’ilay marary : « Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra ». Tsy nisy afaka niteny intsony fa niteny ratsy an’Andriamanitra Jesosy. Hagagana aza no hita taratra teny amin’ny olona ka nankalaza an’Andriamanitra izy.

Raha nandresy lahatra ireo nihaino an’i Jesosy ny zavatra nitranga dia toa sarotra handresy lahatra antsika kosa. Toa tsy eketsika hoe : Ny famelana ny heloka dia hitarika ny fanasitranana. Ary ireo tsy sitrana rehetra ireo ve izany dia mpanota daholo. Tsara ihany anefa ny manamarika fa Jiosy tamin’ny roa arivo taona lasa no niresahan’i Jesosy ary ny handresy lahatra ireo no nataon’i Jesosy. Tsy hiezaka hanao famakafakana amin’ny rohy mety hisy ao amin’ny aretina sy ny fahotana isika androany, ny jeretsika fotsiny dia faha-resendahatr’ireto olona nihaino an’i Jesosy. Hoy Marka raha mitantara izany : « Dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : Tsy mbola nahita izay toy izao ».

Fa tsy nanohanna antsika koa ve ry havana ity tantara ity ? Satria raha afaka nandresy lahatra an’ireto Jiosy nihaino Azy ireto Jesosy, moa tsy afaka handresy lahatra anao koa ve ? Hatr’aiza ny finoatsika ? Eketsika Jesosy rehefa tsy manelingelina izay efa mba noheveritsika ary rehefa milaza izay saintsika. Mazàna ilay finontsika dia miaraka amin’ny eny na ny tsia koa indrindray. Na ny marimarina kokoa dia ny hoe eny nefa na izany aza. Ary izay no nahatonga an’i Paoly hiteny ao amin’ny Epistily ho an’ny koritiana hoe : « Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy ’eny ’sy ’tsia’ ». Eny hoy isika rehefa moramora ka tsy sarotra ekena fa tsia rehefa manahirana ka tadiavitsika ho hazavaina araka ny fisainatsika.

Ekena fa mitsipozipozy ny finoantsika, ny marina dia tsy ampy mihintsy. Paoly apostoly dia manome antsika ny ohatra ao amin’i Jesosy ka hoy izy :  » Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ’eny ’, ary amin’ny alalany koa ny ’Amena’, ho voninahitr’Andriamanitra… »