ISAIA 60 : 1-11

FILIPIANA 1 : 4-11

LIOKA 3 : 1-6

Zavatra roa no mahalasa fisainana antsika raha mijery izay voalaza ato amin’i Lioka toko faha 3 ity isika. Ny voalohany dia ny fahitana ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Filazantsara efatra, raha tsy misy afatsy ao amin’ny Matio sy Lioka ihany ny fitantarana ny fahaterahan’i Jesosy. Ny Faharoa dia ny fahitana ny fitanisan’i Lioka ireo mpitondra na ara-nofo na ara-panahy, izay heveritsika fa tafahoatra ny tokony ho izy.

Izay havalitsika ny voalohany angamba dia ny fomba fanoratry ny evanjelistra efatra. I Marka dia tsy nanisy teny mihitsy ny nahateran’i Jesosy satria ny Filazantsaran’i Marka no voasoaratra voalohany koa heverina fa raha nanoratra izy ny nahamaika azy dia ny nitantara ny asan ’ i Jesosy. Fa ireo Evanjelistra roa dia Matio sy Lioka kosa dia nanampy ny nahateran’i Jesosy satria toa tsy ampy ihany ny tantara raha tsy misy io nahateran’ny Tompo io. I Jaona indray dia nilaza ihany ery amin’ny fitarihin-teny saingy tsy niditra amin’ny atsipiriany fa nilaza fotsiny ny fahatongavan’ny Tompo ho nofo. Nefa azo heverina koa fa naka toerana lehibe ao amin’ny Filazantsara ny fanomanana ny niavin’ny Tompo ary izany fanomanana izany dia ny momba an’i Jaona Mpanao Batisa.

I Lioka eto dia manambara an’i Jaona Mpanao Batisa izay mialoha lalana an’i Jesosy. Mitantara ny fitsofoan’Andriamanitra ao amin’ny tantara. Ary izany fidiran’Andriamanitra izany tsy ivelan’ny tantara akory ka nofinofy ihany fa zava-nisy tokoa, noho izany no nilan’i Lioka mitanisana ireo mpitondra maromaro hita amin’ireo andininy voalohandohany amin’ity toko faha 3 ity. Ny famonjena izao tontolo izao tsy any ivelan’izao tontolo izao akory fa ao amin’ny tantran’izao tontolo izao mihintsy. Na izany aza tsy ireo voatanisa ireo akory no hanao ny tantara fa indro ilay mpitondra teny dia Jaona Mpanao Batisa izay mpaminany farany ary vavolombelona voalohany nahita an’i Jesosy. I Lioka dia milaza azy ho ilay feo miantso mafy any an’efitra.

I Isaia dia efa nahatsinjo izany ka nilaza hoe : « Injany ! Misy feo miantso mafy any an’efitra hoe : Amboary ny lalan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny lalana mikitoatoana hohamarinina. » Marihina manokana ny famaritana ilay antso hoe mafy. Izany hoe kiaka mihitsy (cri). Maximum ny volume mba ho ren’ny rehetra ny antso. Tsy misy afaka miala mihitsy na dia iray aza. Ny tantara manaraka no hahitatsika fa ny karazan’olona rehetra mihitsy no notenenin’i Jaona.

Raha ireo fanamboarana lalana voalaza ireo no jerena, tsy angady sy lapela fotsiny dia hahavita ireo fa Buldozer ary raha izao no jerena tsy lalakely no hiantsony hatao fa autoroute mihintsy. Mila fiovana goavana be mihitsy. Mila fibebahana lalina. Tsy ampy ilay konikona manginginatsika izay heveritsika ho fibebahana. Fa fiovana lali-paka no tadiavina. Fahafatesan’ilay izaho taloha mihitsy ary izany rahateo no Batisa lazain’i Jaona eto. Toa mampatahotra izany rehetra izany fa ny tadiavin’ny Tompo tsy ny hanameloka antsika akory fa ny mba hamonjena. Ilay lalana hatao tsy hifarana ao amin’ny impasse. Toa izao no famaranana nataon’i Isaia : Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjenan’Andriamanitra.