ENY Tompo Ândriamanitra ô, misaotra Anao fa mbola velon’aina izahay noho ny fitiavanao sarobidy.

Toa hadinonay mantsy indraindray ny halalin’ny fitiavanao rehefa voadona mafy izahay. Ka ny mimenomenona no ataonay voalohany. Manaraka izany ny fahanginana na ny fahatezerana no mety mameno ny fo sy ny saina. Miampy ny zavatra mafy mitranga eran’izao tontolo izao.Mila ho rendriky ny hakivina ny firenena sasany. Koa manomeza hery lalandava toy ny efa fanaonao. Eny, tokoa, fa na dia tsy mangataka izany aza izahay dia fantatrao izay mahasoa anay. Ary efa nomenao mialoha anay izany hery izany.

Ankehitriny , mivavaka ho an’ireo :

- izay latsaka an-katerana ka tsy afa-mitraka intsony.
- ho an’ireo izay tsy mana-kohanina intsony.
- ho an’ireo izay tsay manana rano ho sotroina intsony.
- ho an’ireo tratran’ny aretina, ka narary efa ela na vao haingana ary voalaza fa tsy misy azo atao intsony ny aminy.
- ho an’ireo izay naratra ka niova tanteraka ny tenany .
- ho an’ireo izay miandry voka ka feno ahiahy raha teraka amin’ny alina.
- ho an’ireo izay nahazo fara sy dimby ary sahirana amin’ny famelomana azy.
- ho an’ireo fianakaviana izay namoy havan-tiana :zanaka, ray aman-dreny, mpiray tam-po.
- ho an’ireo izay mpanaradrian-drano noho ny fahatahorana hijoro amin’ny marina.

Mivavaka ihany koa izahay :
- ho an’ireo izay nahita fianarana. Mba hatoronao azy ireny fa mbola ambony noho ny zava-drehetra Ianao.
- ho an’ireo mpampianatra , mba hampita sy hampianatra izay efa nekeny.
- ho an’ireo mpitsabo izay miezaka manala ny fanantainan’ny marary.

Mivavaka koa izahay ho an’ireo izay mivavaka ho anay nefa tsy fantatray akory. Mety ho eto akaikinay eto izy ireny na koa any lavitr’ any.Ary izay no haresena ny tahotra sy ny hakivina fa tsy irery izahay.

Maro ireo izay niara-nifaly taminay tamin’ny andron’ny fifaliana. Nefa koa dia maro ny miara-ory aminay amin’ny andro fahoriana sy ny andro sarotra.

Tsy hitsahatra ny vavaka ataonay. Ovay ny fon’izay manao Anao ho tsinontsinona noho ny fahalemen’ny olombelona.

Maro ny firenena mandia lalan-tsarotra ary ao anatin’izany Madagasikara.Hitanao ny adi-tsaina sy ny adi-panahy. Ny herinao irery no maharesy ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitraponao.

Amin’ny alalan’ny herinao dia reseo ny teny maloto ,ny fankahalana, ny fisainan-dratsy . Ny tananao dia mahery ary Fanahinao no mambomba ny firenena rehetra, eny izao tontolo izao aza. Ianao no tompon’ny aina. Ary hery lehibe ho anay ary tsy hanadinoinay fa tia anay Ianao ary miara dàlana aminay. Ny herinao no hitokisanay fa tsy ho rendrika ny firenenay. Misaotra Tompo ô.Amena.