IZAO maraina izao, dia maneho fisaorana Anao Tompo Andriamanitra izahay sy ny zava-boahary rehetra fa mbola novelominao.Kely tokoa izahay eo anatrehan’ny halehiben’ny fitiavanao sy ny fikarakaranao anay. Tianao tokoa mantsy izao tontolo izao izany noharianao. Ianao no tompony fa izahay dia nirahinao hikarakara izay mety ho vitanay.

Tsaroanay amin’izao vavaka maraina izao fa ao ireo izay tsy mana-kohanina na hosotroina akory. Eny fa na dia rano eraky ny sotro tsy misy. Tsy iray na roa no toa izany ny olona fa marobe eran-tany. Na dia ao aza ny mpamatsy maimaim-poana mba hatontosa ny fiainan’ireo tsy mana-kohanina dia tsy maharaka ny asa ataony.

Tsaroanay amin’izao vavaka maraina alohan’ny sakafo izao ny firenena rehetra.

Ao ny mahantra ary mahatsiaro mangirifiry isan’andro. Toa mamoa foha aza indraindray.

Ao ny manana ary mirehareha amin’izany.

Tsaroanay amin’izao vavaka maraina izao ny firenenay : Madagasikara. Mivavaka ho an’ny tany sy ny mponina ao. Tsy miafina Aminao ny zava-mitranga ao. Mijery anay izao tontolo izao. Ary samy fanina na izahay na rizareo. Fa toa maizina ny làlana hizorana. Koa hazavao ny sainay tsirairay avy. Dieny izao maraina izao mba ho tsy ho fo lontika no hihaonanay amin’izay tafaraka aminay. Ary saina madio tsy misy fihatsarambelatsihy. Esory ao amin’ny sainay ny fifikirana hitoetra amin’ny tsy fahamarinana, amin’ny fitaka, amin’ny fanaovana tsinontsinona ny hafa. Diovy ny fo sy ny sainay fa tsy vitanay samirery izany Tompo ô !

Aza avela hitopy teny fatratra izahay hilaza fa tsy misy mahay tahaka anay. Ampianaro hanetry tena izahay.

Raha mbola tsy tonga amin’izany izahay dia mbola tsy nandray ny Filazantsaranao. Fa te hiseho ho mpivavaka fotsiny ary manao ny tenanay ho andriamanitra kely. Hadinonay fa Ianao no Ilay tena Izy. Ary mitaky aminay ny fahitsina sy fahatsorana Ianao. Tohano izahay hahatanteraka izany.

Reseo amin’ny herin’ny Fanahinao Masina ny fikasana ratsy ary aza avelanao hitsiry akory. Izao maraina izao hitondra andro vaovao hankahasitrahana fa tsy hitondra henatra akory. Ary tsy ho hararaotina ny hanimbazimba ny anaranao.

Raha handray izao sakafo maraina izao izahay dia hahatsiaro ireo izay tsy manana ary Ianao anie no hanome fiadanam-po ho azy ireny sy hitahy azy ireo koa.Tahaka izay hitahinao anay. Apetrakay eo am-pelatananao ny tokatrano izay ilaozanay ary ny làlana izay hizoranay sy ny asa amandraharaha izay hotanterahanay. Misaotra fa tsy avelanao ho resin’ny hakivina izahay. Amena.