TOMPO ô, efa hariva ny andro ary tafahoana indray izahay mianakavy kely ato an-trano. Mahatsiaro valaka sy sasatra. Nefa koa misy fifaliana ao am-po satria anilanay mandrakariva Ianao. Niaraka taminay tamin’zay nalehanay. Ary nitoetra niaraka tamin’ireo izay tao an-tokan-trano. Mahatsiaro koa ireo izay tsy tafody noho ny antony izay fantatrao. Alohan’izao sakafo maivana amin’izao takariva izao dia mamboraka aminao ny zavatra rehetra izay nahafaly androany sy izay nampalahelo.

Ary mivavaka manokana ihany ho an’i Madagasikara. Efa hatory izahay ao anatin’ny adiny iray. Koa raiso izao vavaka ataonay izao.

Mivavaka ho an’ireo rehetra nifanerasera taminay izahay : na teny an-dalàna, na teny anaty fiara, na tany am-piasana, na tany an-tsena, na tany amin’ny fitoerana fitsaboana, na tany amin’ny toerana fantanjahan-tena, na ireo izay niresaka am-taroby, na tany amin’ny toerana nisy lanonana,na tany am-pianarana, na tany am-pandevenana sy ny marobe tsy voatanisa.

Mivavaka ho an’ny firenena izahay satria raha tsy nisy Anao Andriamanitra dia tsy nahavita na inona na inona izahay. Ianao no nanome aina ho anay. Koa hampahatsiahivo anay mandrakariva fa tsy misy tompon’izany afa-tsy Ianao. Ary tsy azo lalaovina na viraviraina izany aina izany.

Amin’izao hariva izao misy ireo izay tsy te-hatory fa be fikasana ny amin’ny ampitso. Nefa Ianao ihany no tompon’ny andro rehetra iainanay.

Ao ireo izay hatory ary manantena fialan-tsasatra ho an’ny nofo sy ny saina ary ny fanahy.

Matoky izahay fa hanome izany Ianao. Ary misaotra amin’ny fiarovanao ny alina mangina amin’ny fahavalo. Ianao no mpiambina ny firenenay ary izao tontolo izao. Amena