MIVAVAKA aho noho ny fitahian’Andriamanitra. Satria namaly ny fivavahako na tsy arak’izay noheveriko aza.Matoa tanteraka izany dia izany no sitrapony. Ary ekeko izany. Fantany izay mahasoa ahy. Noho izany , hivavaka aho ho anao.

Mivavaka aho ho anao izay ao anatin’ny faharerahan-tsaina. Satria mitsimbadika ny fiainanao. Ilay fifaliana toa nanjavona. Ilay fandriam-pahalemana nososain’ny ady sy ny korontana.

Nahoana re no tonga tamin’izany ? Hadino ve fa ny hanao soa no nametrahana antsika eto an-tany ?

Kanefa ny fitiavan-tena no manjaka ao am-po. Ao ny mihevitra fa tokony ho azy izao rehetra izao. Raha izay no heveriny fa marina dia tsy mbola nandray ny Filazantsara izy. Mivavaka aho ho anao miaraka amin’izay te hiombona amin’ity vavaka ity. Satria ny fitiavan-tena tsy mitondra fifaliana sy fahasambarana fa ahiahy. Matahotra izay tratran’izany na dia tsy mampiseho izany aza. Ka manafina ny ahiahy amin’ny fomba isakarazany.

Fa kosa ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manavao ny sainao sy ny fonao. Ilay fo vato ho tonga fo nofo. Mino izany aho. Ary ho tanteraka izany.

Fa nahoana hoa ianao no tia miaina ao anatin’ny fahorian-tsaina toa izao ?

Aza akimpy ny masonao, fa hahirato hahitanao fiainam-baovao ao amin’Andriamanitra dieny eto an-tany.

Aza tampenana ny sofinao, fa sokafy haharenesanao ny teny fa « tia anao » Andriamanitra hatrany am-bohoka.

Aza hidina ny fonao sy ny sainao, fa atolory an’Andriamanitra, Fa Izy irery no mahay manasitrana ny ratram-panahinao.

Lazao Azy izay mampalahelo anao, izay tsy zakanao, izay manenjika ny fieritreretanao ka tsy mahatafandry mandry anao na andro na alina

Aza mety ho gadrain’ny asan’ny maizina. Efa tonga ilay Mazava. Avelao handrakotra anao izany hazavana izany.

Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy no hivavahan’ny maro ho anao mba ho afaka amin’ny gadran’ny fitiavan-tena izay manafatotra ny fiainanao. Mivavaka ho anay koa mba tsy hireharehanay fa hanetry tena mandrakariva.

Ho anao no hivavahako amin’Andriamanitra mba hihiratra indray ilay masoandro.

Hoa anao izay mitanondrika mba hitraka. Mahereza ao amin’ny Tompo. Amena.