ANDRIAMANITRA ô ! misaotra Anao izahay fa mampianatra anay mandrakariva Ianao amin’ny alalan’ny Soratra masina. Voalaza tamin’ny fotoana nisamborana ny Zanakao malalanao dia nitsangana ny mpianany iray namely ny miaramila iray ary nihendaka ny sofin’io. Noheverin’ilay mpianatra fa rariny sy hitsiny ny nataony satria heveriny fa adidiny ny niaro Anao . Nolazainao anefa fa tsy mety izany ary nasainao nampiriminy ilay sabatra.

Ankehitriny dia tsapanay fa mitovy fihetsika tamin’io mpianatra io izahay eo anatrehan’ny hotahotaka. Ka miezaka ny miaro tena ary manaonao foana satria enti-po.

Manomboka izao dia ho ampiriminay ny sabatra isan-karazany izay mety handratra ny namanay, eny fa ireo heverinay fa mifanohitra eritreritra sy fihetsika aminay aza.

Hiezaka izahay tsy hiteny ratsy na hanompa ny hafa mba tsy handratra azy ireny amin’ny teny aloaky ny vavanay. Ho teny mamy sy malefaka no hivoaka ny vavanay. Teny feno fanajana sy fitiavana.

Hiezaka izahay tsy hijery ny hafa ho ambany noho izahay. Fa ho jerenay amin’ny maso tsy miangatra ka ataonay ho ambony. Ary ny masonay tsy hangarika na hanjola azy ireny. Eny hanana maso feno fitiavana sy tambitamby izahay, ka tsy hampandositra ny hafa.

Hiezaka izahay hamihina ny tànanay ka tsy hamely totohondry ary tsy hanapotika ny hafa noho ny famporisihin’ny sasany.

Hiezaka izahay hampirina ny basy aman-tafondro isakarazany izay toy ny sabatra mitondra ratra ary mety miafara amin’ny fahafatesana.

Hiezaka izahay hanaraka ny toro-hevitrao : ny fijorona amin’ny marina tsy arahin’herisetra.

Hiezaka izahay tsy handratra ny sofin’ny namanay. Raha simba io, ahoana moa no hahazonay mifampiresaka. Nomenao sofina mba hahazona mandre na ny lavitra na ny akaiky izahay. Ny sofina no mandreha sy mampita ny hafatra koa.

Eny Tompo Andriamanitra ô, mbola mamerina fisaorana Anao noho ny fampianaranao tsy mety ritra fa mahaliana. Hanaraka Anao izahay ary hanahaka Anao amin’ny asa sy ny fitondran-tena mendrika izay takinao aminay. Ary ho lavitra anay ny saina mitady ny herisetra mba ho fiarovana.

Matoky ny Fanahinao Masina izahay fa hiasa mana-kery ato anatinay mba hanampy anay hahatanteraka ny sitraponao. Amena