ENY, Tompo, misaotra Anao fa tena faly ny foko satria mbola velon’aina. Notahinao ka raha mihiratra ny maso izao maraina izao, dia mahatsiaro ny fitsangananao tamin’ny maty. Novonjenao efa hatramin’ny ela noho ny fitiavanao.

Na dia ao aza ny fanontaniana maro mikasika ny finoana Anao dia mampahiratra ny saina mandrakariva Ianao.

Nofenoinao hazavana ny tany ary mampahatsiaro Ianao fa tsy tokony hifikitra amin’ny faharatsiana mitondra ho amin’ny fahafatesana ny olombelona.

Raha mijery ny manodidina ahy ankehitriny dia mahita ny zava-boahary isa-karazanay mitsimoka indray. Velombelona. Hay, tsy maty izy ireny fa natory fotsiny ihany ary indro dia velona indray rehefa tonga ny fotoana. Saingy ny olombelona kosa dia velona mandrakizay ara-panahy rehefa nanaiky nandray ny famonjena maimaim-ponana nomenao. Aina tsy hain’ny olombelona foronina. Fa Anao Andriamanitra irery. Sarobidy izany fa harena lehibe no nomenao anay olombelona.

Koa tantatano mandrakariva izahay hahay hanaja ny aina izay nomenao sy ny fitivana natolotra ao anatinay.

Misaotra Tompo, fa tena nitsangana tokoa Jesoa Kristy. Amena