NOHO ny tsy finonay olombelona dia nandalo tamin’ny fahafatesana ny Zanakao Andriamanitra. Mamelà ny helokay Andriamanitra ô !

Nandry tao am-pasana ny nofony mba hitsahatra tsy ho voaviravira intsony. Eny nitondra ny mafy tokoa. Ary mangataka Aminao izahay Jesoa Kristy, Ilay efa nitsangana tamin’ny maty mba hamindranao fo. Mbola betsaka mantsy ny fasana te hanakenda ny fiainan’ny olombelona.

Ny fasan’ny lainga ka miteraka fanambakana. Ary mafy amin’ny zanak’olombelona ny miala amin’izany rehefa tratran’ny fitiavan-tena .

Ny fasan’ny halatra ka manao izay handrombana sy fakana an-keriny ny fananan’ny hafa.

Ny fasan’ny fanaovana tsinontsinona ny hafa satria mihevitra fa tsy misy toa azy. Ary heverina fa mahavita tena noho ny harena hananany.

Ny fasan’ny fanazimbazimbana, ny fanambanina ka feno fankahalana ny fo.

Ny fasan’ny fisolokina ka manararaotra ny fahalemena na ny fahatsoran’ny hafa.

Ny fasan’ny famonona olona noho ny fialonana.

Ny fasan’ny fankahalana satria tsy mety hanasitrana ny fo maratra. Ka mitana alahelo.

Ny fasan’ny fihatsarambelatsihy ary manao plivava ny vavaka atao Aminao. Ka miteraka fahafatesana.

Ny fasan’ny korontana any am-piasana, ao amin’ny fianakaviana, ao amin’ny namana. Ka tsy mifandevina raha maty. Tsy mifampiditra an-trano raha mbola velona.

Izany rehetra izany dia mavesatra ho an’ny olombelona ka voatsindrin’ny fasana maro.

Koa avia Tompo, Ianao ilay nandalo sy nandresy ny fahafatesana . Aza avelanao hilentika ao amin’ny aizin’ny fasana sy ny fahafatesana izahay. Fa vonjeo.

Mihaino vavaka Ianao Tompo. Misaotra. Amena