Teny ho vakiana

ISAIA 25 : 6-10

Filipianina 4 : 12-14, 19-20

Matio 22 :1-14

Raha mamaky ity fanoharana nataon’i Jesosy ity isika dia tsy hay fefena ny eritreritsika tsy hihevitra hoe ohatry ny angano ity fanoharana ity.

Raha angano izy dia ho toa izao angamba no hamakiantsika azy. « Indray andro hono dia nisy mpanjaka iray izay niaina sambatra tokoa satria niaina tamin’ny fitiavana ny tokatranony. Ary rehefa miaina amin’ny fitiavana sy ny fahasambarana izy dia teha-hizara izany fahasambarana izany. Nanapakevitra hampanambady ny zanany lahitokana izy ka dia nanao fanasana mbola tsy nisy ohatr’izany. Satria fanambadin’ny zanaky ny mpanjaka dia olona nofantenana no nasaina. Tsindrin-daona daholo anefa ny rehetra indrindra ny vahoaka na dia tsy natsoina ho amin’ny fanasana aza. Tsy toa izany kosa anefa ireo nasaina. Tao ireo izay nandà tsotra izao, tao ireo nihevitra fa tsy dia zava-dehibe loatra izany fanasana izany fa ny raharahany no nahamaika azy ary tao ireo izay tsy faly mihintsy ka namono ireo mpanompo nirahina hanasa azy. Mahagaga ihany satria ny Mpanjaka no manasa. Efa nikasa hizara fahasambarana anefa ny Mpanjaka amin’ny fampakaram-badin’ny zanany koa dia nirahiny ny mpanompo hiantso ireo vahoaka marobe naniry koa raha naniry mba ho voasa amin’ny fampakarambady. Saingy tao antin’ireo vahoaka betsaka ireo nisy iray, izay tsy nitondra ny akanjo sahaza ny fanasana sy ny lapan’ny mpanjaka. »

Izay ny fanoharana raha nojerentsika tahaka ny angano. Tahaka ny angano satria raha nijery azy isika dia zavatra tsy mety hisy mihintsy no hita eto. Aiza ve ka mpanjaka no manasa dia hisy ny sahy handà izany. Nefa ve ry havana tsy toa izany tokoa ny zavatra mitranga amin’izao fotana izao. Manasa ahy ho amin’ny fanasan’ny Tompo. Dia hoy aho : « Aiza ary ny fotoana mba hakako sasatra. Ny herinandro manontolo dia ny asa foana no mameno ny fiainako io alahady io no mba hipetrahako dia mbola handeha ho any am-piangonana indray ve aho ? » Na koa hoe  : » Io no fotoana natokanay mianakavy mba hitsangatsanganana  » Na ny hoe alina manontolo dia tany amin’ny alim-pandihizana izahay, tena tsy azo nialana mihintsy ny tany satria ny lehibenay no nikarakara azy koa tsy ho tratra intsony ny ho any am-piangonana, sy ny sisa…

Nahoana re no dia natakaloko ny zava-madiniky ny fiainako ny fasanan’ny Tompo ahy.

Rehefa tsy tonga ny nasaina dia natsoina daholo ny rehetra. Toa milaza amiko izany fa maimaim-poana ny fanasana, samy nadatsahan’i Jesosy ny rany daholo na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy. Nefa mila fahatsiarovan-tena izany, mila fandinihitena, mila fahatsapana ny hahalehiben’ny fanasana. Tsy tia ny hanery antsika ny Tompo. Tiany ho tompon’andraikitra amin’ny fidirantsika ao amin’ny fanasany na ny fiainana mandrakizay Izy. Ny nangatahana tamin’ireo nasaina dia ny hitondra ny akanjo fanao amin’ny fampakarambady . Tsy mandeha ho azy ny famonjena fa tsy maintsy ho mendrika izany isika vao hahazo azy.

Koa hamaly ny fanasana am-pahamendrehana ve isika ? Antsika no mieritreritra.