MIVAVAKA aminao izahay Andriamanitra ô ! Hitanay izao fa tery ny làlana hizoranay. Toa miha mikitroka ny aizina. Miantso vonjy Aminao izahay toy ny mpanao Salamo hoe : « Andriamanitra ô ! henoy ny feon’ny vavako. Ho tonga ao Aminao anie ny hika ataoko. Aza manafina ny tavanao amin’izao andro feno horohoro sy fanaintainana izao.Antongilano ny sofinao rehefa mihikika aho. Valio haingana re Tompo ny vavaka ataoko ».

Nindraminay izany teny izany izany satria mahatsiaro ory ary maro no tratran’ny fahakivina.

Nanao asa mahagaga maro Ianao Andriamanitra ary mbola afaka manohy izany. Raiso eo an-tratranao ary fihino toy ny ray tia mandray ny zanany izahay, indrindra ireo feno adi-tsaina.

Indray andro izay niaraka tamin’ny mpianatra tao an-tsambo Ianao Tompo. Ary niantso vonjy rizareo satria tratran’ny rivo-doza ka saika rendrika . Koa ankehitriny, miantso mafy Anao koa izahay. Mila hilentika ny sambonay. Toa efa tafiditry ny rano ary tsy hita izay atao sy aleha. Ny andro efa alina ary maizina ny tany. Hareno Tompo ilay sambonay. Reseo amin’ny feonao mahery ny tafio drivotra mety hahafaty.

Isa-karazany mantsy ireo tafio drivotra izay mamely mafy : fitiavan-tena, fialonana, fankahalana, lainga, halatra, herisetra,fahafatesana.

Ianao dia Andriamanitra mahatoky ary tia anay. Tsy miova Ianao ary tsy mivadika amin’ny teny fampanantenana hoe  » Ampombaiko toy ny zanak’akoho ianareo , fa Izaho no hiaro anareo ».

Eny, misaotra Anao Tompo amin’ny hery sy ny saina omenao.Amena.