ANDRIAMANITRA ô ! Mifona izahay.

Amin’izao herinandro masina izao dia mahatsiaro ny tantaran’i Jodasy izahay. Voalaza fa mpamadika izy. Ary nanome tsiny azy daholo.Eny fa na dia izahay namaky ny tantarany aza. Kanefa inona no nahatonga izany ? Ny fitiavam-bola no voalazan’ny maro. Kanefa raha izany tsy izy ihany no tratran’izany. Sarotra tamin’i Jodasy ny namantatra tamin’izany fotoana izany fa Jesosy tokoa no ilay Kristy hamonjy izao tontolo izao. Ankehitriny toa ohatrin’ny efa lasa lavitra izany tantara izany. Kanefa dia mbola akaiky ihany ary tsy fongana ny fiainam-pamadihana mitranga.

Ankehitriny dia mivavaka Aminao izahay miteny hoe :

Andriamanitra ô ! mifona ê :

Tsy nety nampianatra izay nanatona anay fa izay tianay ihany.

Tsy nijery ireo namana nitady fanampina , fa nolavinay satria tsy nitovy akanjo taminay.

Notazoninay ny famerim-bola rehefa avy nihetsena .

Tsy nandefa ny taratasy nampanirahana satria kamo.

Hadino ny tapaka sy namana rehefa nitosaka ny harena. Hadino koa ireo izay nanampy mba hisondrotana.

Natakalo andriamanitra moana Ianao. Natao toa ny zava-boahary. Kay ireny mitovy aminay fa Ianao no nahary azy ireny.

Namitaka ny hafa mba hahazona ny fananany.

Nanao zavatra an-tsokosoko ka nividy amin’ny vola mba hahazona tombon-tsoa.

Andriamanitra ô ! mifona izahay fa nahilikay amin’ny fahantrana, fahalemena, sy ny hoe « mbola olombelona » ihany ny famadihana nataonay. Tsy ekenao izany, satria nomenao saina handinika ny olombelona. Na manam-pahaizana na tsia dia mitovy eo anatrehanao satria samy nomenao saina hadanjalanja ka tsy tokony ho lavo amin’izany.

Mitodika sy mifona Aminao izahy mba hanampianao anay hialanay amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitraponao. Hadinoy ny helokay fa hiova fo izahay satria Andriamanitra Fitiavana Ianao. Amena.