MIJERY izao tontolo izao Andriamanitra na andro na alina. Reny horakoraka eran-tany.

Horakoraka feno fifaliana ny an’ny sasany satria tojo izay nirina. Fianakaviana salama ara-batana sy ara-tsaina. Fisondrotana amin’ny fianarana sy ny asa. Fankalazana ny fitsingeranam-pifaliana isan-karazany. Fitsangatsanganana mba ho fahafinaretan’ny tena sy ny vatana. Fanangonana harena be tsy hita ho tanisaina. Faly aho ho an’ izay mahatsiaro sambatra. Indrindra raha tamin’ny fahamarinana no nampisondrontra azy ka tsy manana ahiahy amin’ny hohanina ny ampitso.

Horakoraka feno tomany kosa ny an’ny hafa. Ao ireo izay mahantra noho ny herisetra mianjady aminy. Halatra sy vaky trano hitam-bahoaka no mihatra amin’ny tsy manan-tsiny. Tsy misy afaka mamonjy. Vonoin’olona satria tonga amin’ny fandrobana isan-karazany. Ao koa ny aretina mandamaka ao am-pandriana. Misy ny tsy hahitam-panafody. Andriamanitra ô ! mifangaroharo eto amin’izao tontolo izao na ny fahoriana na ny fifaliana.Izahay olombelona ao anatin’izany fiainana miovaova izany ve hahatraka ho vavolombelonao ?

Misaotra anao izahay fa Ianao irery no afaka mampahery anay. Misaotra Anao izahay noho ireo namana mivavaka ho an’ny tany izay misy filaminana. Misaotra Anao ihany koa ho an’ireo mivavaka ho an’ny tany misy korontana. Andriamanitra marina Ianao ary tsy tianao ny ady amin’ny fomba samihafa mitondra fahafatesana.

Misy ireo maty noho ny finiavana hamono. Misy ireo maty noho ny teny ratsy naloakin’ny vava.

Koa mamelà anay noho ny hadisoanay. Hampahatsiahivo anay isan-andro fa ny tsy fitiava-namana dia fandavana ny ’Fitiavanao » maimaim-poana.

Soraty ao am-ponay ny hafatra nataon’ny Zanaka malalanao hoe » Tiava an’Andriamanitra, tiava ny namanao tahaka ny tenanao ary tiava ny fahavalonao ». Ampio izahay Tompo hanatanteraka izany.

Henoy ny vavaka mangina mipololotra avy ao am-po. Resin’ny alahelo ka tsy mahaleo-bava.

Tompo ô, mamindra fo. Amena