TOMPO ô ! Efa ela Ianao no tonga teto an-tany hamangy izao tontolo izao.

Tao ireo nitady Anao ary tafahoana taminao. Nefa nisy ketraka tamin’izy ireo noho ny fahasarotan’ny fiainana. Ary nisy ireo nitady làlan-kafa hitadiavana filaminan-tsaina, fandriam-pahalemana, fahasalamana ary hahitana famonjena.

Ao koa ireo izay tsy mahalala Anao mihitsy nefa tsy hadinonao na dia tsy manaraka ny làlanao aza.

Ireo magy niroso ary nahita Anao fahiny. Fifaliana ho anay izany fa nanoro làlana ho anay izy ireo.

Amin’izao fihandohan’ny taona izao dia fantatray fa mitohy hatrany ny fambombanao anay.Ny fitiavanao sy ny fahasoavanao mitoetra eto amin’izao tontolo izao. Matoky Anao izahay Tompo ô. Manome hery anay mandrakariva Ianao hahazonay mijoro sy hanambaranay fa tsy misy afa tsy ao Aminao ny famonjena anay.

Ny feonao irery no mitantana anay . Ary Ianao irery no tazanay ka io no làlana hizoranay .Misaotra Anao Tompo fa Andriamanitra mahery sy be famindram-po Ianao. Amena