zo atao vavaka ity Salamo 1 ity.

SAMBATRA ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy.Ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsiry.

Fa ny làlan’Andriamanitra no sitrany ; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy. Izay mamoa amin’ny fotoana, ny raviny koa tsy mba malazo ; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.

Fa tsy mba toa izany izany ny ratsy fanahy, fa toy ny akofa aelin’ny rivotra izy. Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana. Na ny mpanota eo amin’ny- fiangonan’ny marina.

Fa fantatr’Andriamanitra ny làlan’ny marina.

Fa ny làlan’ny ratsy fanahy kosa mankany amin’ny fahaverezana. Amena