AIZA Ianao Andriamanitra ? Mbola ao anatin’ny ririnina ny taninay ary dia mamirifiry amin’ny faritra sasany. Nefa fotoana tsy maintsy lalovana izany ary ilain’ny tany sy ny voly koa.

Ao ireo mifoha maraina hiasa mba hahazona vola kely hahazona mamelona ny fianakaviana. Mivikiviky mba tsy ho lanin’ny hatsika. Toa tsy sahy miherika fa mandroso ary mitaintaina aza. Tsy fantatra mantsy izay eny an-dalana satria sarotra ny andro.Hoy aho hoe : aiza Ianao Andriamanitra ô ? Dia hoy Ianao hoe  » Miara-miroso eny an-dalana miaraka aminareo Aho »

Ao kosa ireo izay tsy mivoaka ny trano fa mitaiza kely na miandry ireo ray aman-dreny efa lehibe, na tsy manana asa. Manao izay ho vitany ao an-tokan-trano. Ary lasa lavitra ny sainy mahare ny vaovao amin’ny onjam-peo sy ny fahita lavitra. Ka miteny anaka-po hoe « Inona no iafaranay ? Aiza Ianao Andriamanitra ô ?  » Dia hoy Ianao hoe  » Matokia fa tsy mbola namela anareo ho irery Aho. Mitoetra ato an-tokatranonareo Aho ».

Ao ireo izay tratran’ny fahoriana ka lasa ny olo-malala iray. Kepoka satria tsy misy azo atao intsony. Tapitra teo ny fiainany. Ao ny mihikika tsy manaiky izany fahafatesana izany. Ao ny tsy manam-peo ka mitsaoka tsy ho hitan’ny olona ary mitomany mangina. Samy miteny hoe « Aiza Ianao Andriamanitra ô ? Dia hoy Ianao hoe : ’Ry zanako malala, Izaho afaka mampionona anao raha tianao izany. Nody aty amiko ny havana. Efa ao anatin’ny fitsaharana izy izao. Mitraka, fafao ny ranomaso ! »

Ao koa ireo tratran’ny aretina ka na ny hitsabo azy aza mila tsy hahita. Manaintaina ny vatana ary miha-osa. Ary ketraka ny fanahy noho izany antony izany. Ho tafita ve sa tsia amin’izao aretina izao ? Aiza ny mpitsabo ? Aiza ny fanafody ? Aiza Ianao Andriamanitra ô ! hoy ny marary. Dia hoy Ianao hoe « Henoko ny fitarainanao sy ny fianakavianao. Izaho efa tonga hitondra fanasitranana anao. Koa raiso izany, miova fo ary miverena Amiko. »

Koa mivavaka ho an’ireo izay hahiliky ny havany satria very saina. Toa tsy zakan’ny sasany ny mahita sy mifanerasera amin’izy ireny. Malahelo ny fo. Ary ny vavaka izay firesahana Aminao Andriamanitra dia zava-dehibe satria afaka mamboraka ny ao-po. Azo hatokisana fa mihaino izay lazaina rehetra Ianao.

Misaotra Tompo ho an’ireo izay ao anatin’ny fifaliana.

Misaotra Tompo ho an’izay ao anatin’ny fahoriana satria tsy mandao azy ireny Ianao.

Miahy ny olona reheta Ianao. Tianao avokoa na izay heverina ho ratsy indrindra aza. Ianao tsy manavakava.

Koa amboary isan’andro izahay hiova fo mba ho fanatray fa Ianao Andriamanitra no manapaka ny fiainanay. Ka tsy hiteny intsony izahay hoe « Aiza Ianao Andriamanitra ? Dia hoy Ianao hoe  » Mijery an’izao tontolo izao Aho anaka. Tsy misy miafina Amiko ny zavatra mitranga rehetra eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Satria noho ny fitiavako anareo no namoronako anareo »

Eny, marina ny Teninao Andriamanitra. Tsy lavitra tokoa Ianao. Misaotra. Amena