LASAN’eritreritra aho. Saika hiondrika hivavaka aho kanjo reko fa misy dona malefaka ny fitaratrin’ny varavarakely.

Niodina aho nijery aoriako. Latsaka ny orana malefadefaka. Pitipitika madinika miraikitra amin’ny fitaratra. Nojereko tsara ny ao an-tokotany ary tazako ireo hazo toa mihetsiketsika sy ny voninkazo izay tsy namelana intsony sy ny voly izay efa nihamaina volana vitsivitsy izay. Somary nihamafy ny orana miaraka amin’ny rivotra. Ho mando tsy ho ela izany ny tany. Ka hoy aho hoe : “raiso ry tany ity rano avy any an-danitra. Hitondra aina vaovao ho anay olombelona sy ny tontolo iainanay. Rano avy any an-danitra hitondra famelombelomana ka hanala hetaheta tanteraka”.

Io rano izay mirotsaka io mantsy dia nomena maimaim-poana. Tsy misy tany izay tsy ilatsahany amin’ny fotoany avy. Misy dia tsy mitsahatra ny hirotsahany. Misy dia iray andro na minitra vitsy ao anatin’ny roa taona. Mihoatra izany aza amin’ny tany tena hay.

Lasan’eritreritra aho mahatsiaro ireny tany ireny. Zara raha mahita ranonorana. Ary dia mitsitsy sy tsy manao an-tsirambina amin’ny fampiasana azy ny olona. Misy koa anefa ireo tany izay mitosaka ny ranonorana ka mikorina ny rano atsy sy aroa. Ka na ny renirano aza dia azon’ny lakana na sambo hisosana ka fifaliana ho an’ny mponina sy ny mpitsangatsangana izany. Mahavariana raha mbola tsy nahita izany. Ny mampalahelo dia miteraka ady izy io rehefa tena tsy misy amin’ny tany sasany. Ny tenan’ny olombelona mantsy dia tsy hahazaka izany hoe maina ka tsy hisy rano hosotroina.Ao koa ny tondran-drano rehefa tafahoatra.

Lasa lavitra ny saiko. Ndeha aho hiverina mijery ilay orana miraikitra eo amin’ny fitaratra. Toa mampahatsiaro fotoana lehibe izao fiandohan’ny orana izao. Indrindra any Madagasikara. Indro fa mandindona mantsy ny fahatsiarovana ny nihavin’ny Zanak’Andriamanitra. Toa miatrika ho amin’izany ny kristiana rehetra n’aiza n’aiza misy azy. Ary ao ny mivavaka isan’andro. Mivavaka raha vao misy fotoana hahazony manatanteraka izany. Ao ny miaraka amin’ny fianakaviana, na amin’ny namana ka mampiakatra ny vavaka ataony. Ao koa ny manao izany am-pahanginana ao am-po. Tsy misy mahita sy mahalala afa-tsy Andriamanitra. Samy mety avokoa. Ny mirehareha amin’izany no tsy mety fa atao am-panetren-tena mba ho voninahitr’Andriamanitra.

Tsy ho pilivava na fomba fanao fotsiny fa kosa tena iainana.

Voasoratra amin’ny diary fa ny 29 novambra 2009 no alahady voalohany amin’ny Advento. Izay midika hoe “mialoha”. Izany hoe misy fiomanana ny handraisana ny Zanak’Andriamanitra. Miomana ho amin’izany ny kristiana. Nefa marihina fa efa niomana hatramin’ny ela.

Io fiomanana io dia tsy ho fahazarana. Fa mila fanavaozana : ny tena, ny saina, ny fo sy ny fanahy. Azo ampiana ao koa ny fijery.

Mandalo fotoana sarotra ny firenena ankehitriny ary maro ny kivy : na mpino na tsy mpino, na kristiana na tsia. Ity Adventon’ny taona ity dia miantso anao hivavaka ho an’i Madagasikara, ho an’izao tontolo izao koa izay tsy afaka misaraka amintsika.

Hivavaka mba hisin’ny fifamelan-keloka. Saingy tsy tanteraka io raha tsy miaiky heloka aloha. Io no voalohany. Ary izay no hahatonga ny fihavanana. Manomboka amin’ny tena aloha vao miteny ny hafa. Hoy Jaona Mpanao Batisa hoe “ Mibebaha ianareo fa manakaiky ny Fanjakan’Andriamanitra(Matio 3 : 2…, Marka 1:4…)

Miandry antsika ny Tompo. Ilay orana madinika dia mampahatsiaro antsika fa tsy maty ny “afo” izay nomen’Andriamanitra antsika fa misy ny fanatenana raha tena miverina amin’Andriamanitra isika. Ho velona toy ny nandray rano voadio avy any-danitra. Satria indro fa efa tonga ilay Zanaka tokan’Andriamanitra hamonjy antsika ary mbola ho avy.