TENY ho vakiana

Isaia 55.6-9

Filipiana 1.20-27

Matio 20.1-16

Tsy rariny ! Izany no ao an-tsaina raha mamaky ity fanoharana nataon’i Jesosy ity. Ny lehiben’ny orinasa dia mitovy hevitra amin’izany satria fanty antoka iray lavaka no azo raha tahaka ity mpampiasa ity no lehiben’orinasa. Ny Mpiasa sy ny syndicat dia hilaza fa tsy rariny raha ny tahaka izao satria izay miasa dia tokony ny hahazo ny tandrifin’ny vitany. Nefa ve i Jesosy dia hampianatra antsika ny tsy rariny ? Tsia, satria ny Fanjakan’Andriamanitra no noresahany. Andeha anie ho jeretsika e !

Ity mpampiasa ity dia tsy mpampiasa tahaka ny mpampiasa rehetra satria tsy hisy hanakarama olona andiny iray alohan’ny hiravana. Ity mpampiasa ity dia tian’i Jesosy hahitatsika an’Andriamanitra. Andriamanitra izay misaina ny manjo ny tsy an’asa. « Nahoana hianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro ? » « Mandehana … mankany amin’ny tanimboaloboka » Raha ao amin’ny Soratra Masina ny tanimboaloboka dia manambara ny vahoakan’Andriamanitra. Ny tanimboaloboka noho izany dia manambara ny fahasambarana iantsoan’i Jesosy antsika.

Jesosy dia tsy nanafina ny fitiavany ny mahantra, ny voahilikilika, ny mpanota. Na dia ilay jiolahy niara-nombohona taminy aza dia nomen’i Jesosy ny paradisa tamin’ny fotoana farany. Koa endrika iray nentin’i Jesosy nilaza izany ity fanoharana ity. Na dia amin’ny fotoana farany aza vonona ny hamonjy foana Jesosy.

Tsy rariny hoy isika ery amin’ny lohateny. Eto anefa dia tian’i Jesosy ho hitatsika, aiza ny tsy rariny ? Valiny avy hatrany ny manjo ireo niasa tamin’ny ora voalohany. Izao anefa no voalazan’ilay tompon’ny tanimboaloboka : « Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho ; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko ? » Tsy hoe notazoniny ny karaman’ireo ka tsy nomeny, na nanesorany, fa naloha ara-dalana Koa aiza ny tsy rariny ? Ny tsy rariny hoy isika dia ny fampitahana ny noraisin’ny tonga tamin’ny ora voalohany sy ny tonga tamin’ny ora farany. Nefa raha rariny ny natao tamin’ireo voalohany dia mihoatra ny rariny ny nomeny ireo tonga tamin’ny ora farany. Ireo tonga tamin’ny fotoana farany ireo dia ireo tsy nahita asa. Ary iza moa no milaza fa rahapitso hahita asa indray izy ireo ? Sary iray entina manambara fa Andriamanitra manome antsika mihoatra noho izay vitatsika. Manatona ny Tompo tsy lmitondra na inona nainona isika nefa Izy milaza amitsika hoe : « Midira amin’ny fifalin’ny Tomponao ». Tsy noho ny asa na noho ny fahamendrehana no nahatonga izany fa noho ny famindram-pony. Izay ilay fahasoavana omen’ny Tompo maimaimpoana.

Maika ery isika hitaky ny zotsika. Nefa koa isika ihany no tiatsika hahazo izany. Tian’ity tompon’ny tanimboaloboka ity ho vavolombelon’ny fahamoram-pony ho an’ireto tonga farany, ireto tonga voalohany. Hoy izy : Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany : atombohy amin’ireo taoriana ka vao hatramin’ireo voalohany. » Iretsy nampimenomenona iretsy tonga voalohany dia nijanonana tamin’izay heveriny fa rariny. Fa ilay tompon’ny tamboaloboka kosa nihoatra izany rariny izany ka ny fitiavana no betsaka tao aminy. Tsy ampy eto amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny rariny samy irery raha tsy laroany fitiavana izany. Hoy ilay Japoney niova ho kristiana natsoina hoe Kagawa raha natsoin’ny mpiasa izy hiara hitolona aminy : « Tsy ny mitaky ny zo no mahamaika ahy fa ny hanao soa. » Ny fitiavana mazàna dia mifanohitra amin’ny rariny satria mihoatra azy izy. Ary raha ireo mpimenomenona ireo noho ireo tonga tamin’ny ora farany dia mba ahoana hoy izy ireo ?

Tsara ny manao ny marina sy mandala ny rariny. Jesosy kosa eto mitaky antsika ho be fitiavana koa.