TENY ho vakiana

1 Samoela 16.1-13

Efesiana 5.8-14

Jaona 9.1-41

Miditra amin’ny alahady faha efatry ny karemy isika. Fahagagana iray nataon’i Jesosy no napetraka ho dinihintsika raha ireo teny natokana ho vakina androany no jerena.

Betsaka ny fahagaga nataon’i Jesosy ary an’isan’ireny ny fampahairatana ny jamba. Raha mijery ny andininy voalohany amin’ity toko faha 9 ny Filazantsaran’i Jaona ity isika dia tsy sahala amin’ny isan’andro ny zava-mitranga. Mazàna mantsy dia ny olona no mangataka an’i Jesosy ho sitranina. Eto kosa dia Jesosy no manatona. Izao no voalaza :  » Raha nandalo Jesosy dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka  » Moa tsy toky ho antsika ve izany ? Satria hay Jesosy tahaka ny amin’ity jamba ity nahita koa ny manjo ahy.

Samy hafa ny fijerin’i Jesosy sy ny mpianatra. Ny mpianatra moa dia mitovy amitsika. Eo anatrehan’ny zavatra manjo dia mitady ny antony isika, ka mitady izay nanota. Hoy izy ireo :  » Raby o iza no nanota ? » Hatry ny fahagola mantsy raha misy zava-dratsy manjo ny antony amin’ny olona dia noho ny fahotana. Amin’i Jesosy anefa dia tsy mipetraka tahaka izany ny olana, Aminy ny mahamaika dia ny hanala izany zava-dratsy manjo ny olona izany. Amin’i Jesosy dia Andriamanitra mihintsy no miady hanafongotra ny zava-dratsy manjo ny olona. Ary izany no isan’ny nanirahan’Andriamanitra Azy.

Hiverina amin’ny tantaran’ny fanasitranana an’ilay jamba isika. Izao no voasoratra ao amin’ny andininy faha 6 sy faha 7 : « Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba Ary hoy Izy taminy : Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.

Hafa noho ny fahagaga fanaon’i Jesosy no hitatsika. Mazàna miteny fotsiny Jesosy dia sitrana ny marary eto anefa dia : nandrora tamin’ny tany Jesosy ka nanao feta tamin’ny rora dia nahosony ny mason’ilay jamba ary naniraka azy hanasa ny masony any Siloama Izy. Taloha raha niaina tao amin’ny maizina ity jamba ity dia angamba nandeha hoatr’izao ihany ny fiainany. Fa rehefa tafahaona tamin’i Jesosy izy dia misy zava-notakiana taminy. Ny voalohany dia : ny finoana. Mety ho niteny izy hoe : hampiova inona amiko moa ny hanasa ny masoko ao amin’ny farihin’i Siloama ? Ny faharoa dia fisasana any Siloama dia tandidon’ny Batisa. Izay tafahaona amin’i Jesosy tsy maintsy hatao batisa.

Fa ny fanekena an’i Jesosy dia mahatonga ny olona hanenjika antsika. Matetika ho an’izay niova ho kristiana dia enjehana ka hampandalovin’ny olona tribonaly kely mihitsy. Eto ilay jamba dia nandalo tribonaly efatra.

Ny voalohany dia nataon’ireo olona mahita azy isan’andro. « Tsy ity va ilay nipetraka nangataka ? Hoy ny sasany : Izy ity ; fa hoy ny sasany : Tsia, fa tahaka azy ihany ; ary hoy kosa izy : Izaho no izy. Dia hoy ny olona taminy : Ahoana no nahiratan’ny masoanao ?  » Fanotaniana tsotra satria misy zavatra manaitra hita ka fitiava-kahalala ihany. Fahita koa izany rehefa misy zava-mitranga ao amin’ny Fiangonana dia betsaka ny mametraka fanotaniana amitsika te-hafantatra fotsiny ary tsy mihoatra izay.

Ilay Jamba anefa tsy nahafantatra afatsy ny hoe : Jesosy no anaran’ilay nanasitrana azy.

Ny tribonaly faharoa dia ny fariseo. Saingy ny fanotaniana napetrany dia vao maika nampiadihevitra azy ireo ka nampisaraka azy.

Ho an’ilay jamba kosa nandroso ihany izy ka raha nanotaniana izy : »Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao izy ? Dia hoy izy : Mpaminany Izy. » Tompo o ! Ampio izahay mba handroso amin’ny finoana Anao tahaka ity Jamba ity

Ny tribonaly faha-telo dia ny jiosy. Ny jiosy izay tsy nanaiky fa Jesosy no Mesia. Nitady vavolombelona izy ireo. Ary ny vavolombelona nalainy dia ny ray aman-drenin’ilay jamba. Tsotra anefa no navalin’izy ireo : « Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba. » Fa ny amin’ny mampahiratra azy : »Efa lehibe izy, koa izy no anontanio ». satria natahotra ny jiosy izy ireo. Moa tsy mbola misy ny tahaka azy ireo mbola matahotra ka na dia eo anatrehan’ny zava-marina aza tsy sahy mijoro.

Ny tribonaly faha-efatra dia ny fariseo indray. Ny fariseo izay tsy te hahafantatra ny momba an’i Jesosy ka manenjana ny lalan’i Mosesy. Amin’izy ireo dia tsy avy amin’Andriamanitra izany olona izany satria tsy manaja ny sabata.

Eto dia nisy ny fifamaliana. Ny fariseo manenjana ny lalan’i Mosesy mba hilazana fa mpanota Jesosy. Ilay jamba kosa ny fantany dia jamba izy taloha fa mahiratra izy izao noho i Jesosy. Ho an’ilay jamba mandroso ihany ny finoany. Aminy dia avy amin’Andriamanitra mihitsy i Jesosy satria tsy mamaly ny mpanota Andriamanitra. arakarak’ny fanotaniana napetraka taminy no nandrosoan’ilay jamba sy nahafantarany an’i Jesosy.

Iza amin’ireo isika ? Tahaka ny fariseo ve ka izay heveritsika fa fahaizatsika, ny fahafantaratsika ny fivavahana tahaka azy ireo no manakana antsika tsy hanatona an’i Jesosy. Sa tahakan’ilay jamba ka mitady hahafantatra mandrakariva ilay nanao soa antsika. Ilay nanao fahagagana ho antsika.

Ho famaranana dia Jesosy no nifanatrika tamin’ilay jamba nanohy ny fandrosoan’ny finoany. Tamin’ny voalohany dia ny anarany fotsiny no fantany momba an’i Jesosy. Avy eo dia nambarany fa ny mpaninany Jesosy. Nekeny fa avy amin’Andriamanitra Jesosy ary farany rehefa niresaka tami’i Jesosy dia nilaza izy fa Zanak’Andriamanitra Jesosy. Izao no voalazan’Jaona : Jesosy nanao taminy hoe :Mino ny Zanak’Andriamanitra va hianao ? Ralehilahy namaly ka nanao hoe : Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy ? Hoy Jesosy taminy : Efa nahita Azy hianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.

Tsy ity jamba ity no nilaza fa mpanaraka an’i Kristy izy, fa ireo fanotaniana napetraka taminy no nahatonga azy tsikelikely ho nino an’i Jesosy. Nanjary mpiaro an’i Jesosy nanoloana ireo mpanenjika azy izy.

Tsy isika noho izany no tokony hiambo ho mpanaraka an’i Jesosy. Ny olona amin’ny fifaneraserana amitsika no tokony hahatsiaro fa mpino an’i Jesosy isika.