TENY ho vakiana

Nomery 21.4-9

Filipiana 2.6-11

Jaona 3.13-17

Ny toko sy adininy voalahatra hodinihina androany rehefa fakafakaitsika dia mamitina izay rehetra voalaza nandritry ny telo na efatra alahady izay. Ary satria famitinana dia mamerina , na ny marimarina kokoa manindry na manipika izay voalaza.

Ndeha ho jeretsika ireo hevi-baventy voalaza.

Ny voalohany dia ny hoe : Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra. Mafinaritra ery ireto teny nataon’i Jesosy raha niresaka tamin’i Nikodemosy izy ka nilaza taminy hoe : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay ». Raha ny dikan-teny amin’ny teny frantsay no jerena dia izao no voalaza ao hoe : « Dieu a tant aimé le monde » . Raha adika dia hoe : »Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra. Raha namorona ny olombelona Andriamanitra dia nataony hitovy endrika taminy. Izao no voalaza ao amin’ny bokin’ny Genesisy : « Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay « mandady na mikisaka amin’ny tany » Tsy noforonin’Andriamanitra hitovy Aminy fotsiny ny olombelona fa noforonony ho sambatra ka nataony hanjaka amin’ny zavatra rehetra tambonin’ny tany. Indrisy anefa nanota ny olombelona ka nanjary tafasaraka tamin’Andiamanitra. Noho ny fitiavany tsy navelan’Andriamanitra hihosona irery tamin’ny fahotana sy ny fahoriana ny olombelona, honena azy Izy ka maika ny hamonjy azy. Noho ny fahamaikany hamonjy ny olona dia notriarin’Andriamanitra ny lanitra ka nidina Izy, araka ny voalaza ao amin’ny bokin’Isaia.

Ny faharoa dia ny hoe : Nomeny. Raha miteny hoe nomeny dia milaza izany fa tsy misy takalony. Tsy nijeren’Andriamanitra ny hoe : « Inona no ho azony amin’ny fanomezana ». Raha hatohitsika izay voalaza dia misongadina ny hoe : satria tena tia antsika Andriamanitra dia nanome izay nilaitsika Izy. Nanome izay tsy ampy tamin’ny fiainatsika Izy. Inona no tsy ampy amin’ny fiainantsika efa nampanantena antsika ny Tompo fa hanome antsika maimaimpoana.

Ny fahatelo dia ny hoe : Inona no nomeny antsika. « Ny Zananilahy tokana. Raha jerena amin’ny masotsika olombelona dia mamy loatra ny zanaka. Azo alaina amitsika daholo ny zavatra rehetra fa ny zanaka tsy azo hatakalo io, tsy azo esorina amitsika io. Indrindra moa ka raha tokana izany zanaka izany. Andriamanitra anefa dia tsy nijery izany foiny ho antsika izany Zanany izany. Ary fantany fa ho viravirain’ny olombeloan ny Zanany, hampijaliany, ary ho vonoiny aza. Nefa dia nomeny ihany. Ny Filazantsara dia mitantara amitsika ny fampijaliana rehetra natao tamin’ny Zanany mba hahasambatra antsika. Noresan’i Jesosy tamin’i Nikodemosy ny momba ny menarana varahina. Ny menarana varahina dia natsangan’i Mosesy tany an’efitra raha nandripaka an’ny Zanak’Israely ny menarana afo, izay mijery ilay menarana varahana na dia voakaikitra aza dia velona. Nasehon’i Jesosy fa tandidon’ny hanombohana azy io menarana varahina io. Isika no tokony hampijaliana, isika no tokony ho faty. Nefa dia Jesosy no niaran’izany.

NY Fahaefatra dia ny hoe : Mba tsy ho very . Hoy Jesosy eto amin’ity toko sy andininy noraisitsika ity : « Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Ary ireo meditation nataotsika nandritry ny telo na efatra alahady izay dia manindry izany tsara. Raha izany efa maty Jesosy mba hamonjy antsika. Efa voavonjy aho. Mazàna tsy tsapatsika io. Efa maty Jesosy mba hamonjy ahy sy anao. Manana anjara amin’ny rany latsaka tao Kalvary isika. Zava-dehibe anie izany rey olona e !

Ny fahadimy eny e ! efa maty Jesosy hamonjy antsika fa zavatra iray loha ihany no angatahana amitsika dia ho tanteraka sy feno izany dia ny finoana an’i Jesosy. Izay no hafatra omen’ny Tompo antsika. Lehibe ny hafatra : » Izay olona manantena fa afaka hamonjy ny tenany irery dia ho faty, satria tsy misy famonjena ho azy raha tsy mijery ny Tompo izy. Ary izany na toa inona na toa inona fahaizany sy heriny »

Jesosy no fiasana nentin’Andriamanitra, tsy hoe hahatonga antsika tsy handalo fahafatesana fa kosa hahatonga izany fahafatesana izany ho fitana ho any amin’ny toerana tsaratsara kokoa.

Ary io fiainana tsaratsara io tsy zavatra nofinofisina fotsiny akory, i Paoly dia niteny hoe : » Koa tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjaka amin’ny olomasina sady akohonan’Andriamanitra » Ny fahazoana izany tsy noho ny zavatra nataotsika fa fanomezana maimaim-poana. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia hitsangana amin’ny maty koa isika. Ary mandram-piandry ilay fitana dia efa miaina dia eny izao ny fanjakan’ny lanitra isika

Koa anio raha manaiky hamohan’ny varavaran’ny fotsika isika ary hijery an’i Jesosy Kristy tahaka ny Zanak’Israely nijery ny menarana varahana ary miandry ny mazava izay hanova antsika raha izany dia ho hafa ny fiainantsika. Ho tsapatsika fa tsy ny asa hataotsika no zava-dehibe fisehon’ny faneketsika ny Tompo ihany izany fa ny Tompo no maha-mpanana anjara antsika amin’ilay fiainana vaovao.

« Tompo ô ! ataovy mahatsapa izahay fa izay mino Anao no manana ny fiainana mandrakizay