TENY ho vakiana

Isaia 56.1-7

Romana 11.13-32

Matio 15.21-28

Manaitra loatra antsika ny manaraka ity tantara ity. Toa tsy ilay Jesosy fantatsika intsony no hita eto. Jesosy mafy fo ka tsy mijery akory ilay vehivavy nangataka taminy. Toa very eto ireo teny fandretsika ao amin’ny Soratra Masina manao hoe : « Mangataha dia omena hianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondomy dia ho vohana haianareo ». (Matio 7 : 7). Raha jeretsika dia mitombona ny fangatahana nataon’ity vehivavy kananita ity. Mitombona satria zanany marary no nangatahany ho sitran’i Jesosy. Mety efa nahita an’i Jesosy nanasitrana marary izy ary namoaka demonia tahaka ny mahazo an-janany. Ninony fa afaka manasitrana ny zanany i Jesosy. Zavatra hafa anefa no niandry azy. Jesosy miavonavona tsy nijery azy akory no hitatsika ary tsy vitan’izany ihany fa Jesosy nampitovy azy amin’ny amboa aza.

Tsara ihany ny mijery ny zava-miseho. Ity vehivavy ity dia kananita izany hoe tsy Jiosy. Ny kananita dia ireo mponina tany Palestina talohan’ny nahatongavan’ny Jiosy. Rehefa tonga ny jiosy dia voatery niataka izy ka nahazo ny sisi-tany. Nohambanin’ny Jiosy izy ireo satria ny Jiosy dia nihevi-tena fa firenena voafidin’Andriamanitra. Raha mifanena amin’ny kananita ny jiosy sasany dia misasa. Noho izany dia tsy taitra ny mpianatra raha nahita an’i Jesosy niavonavona ka tsy namaly , indrindra moa fa mbola vehivahy ity nangataka. Amin’ny mpianatra dia tokony ho roahina io vehivavy io fa mahasosotra ny mahita azy miantsoantso ao aoriana eo.

Tsy izany anefa no notadiavin’i Jesosy zavatra hafa noho izany no tiany hatao, noho izany dia mbola nohatsiany ihany ilay vehivavy kananita. Hoy Izy « Tsy nirahina aho afatsy amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely ; » izany hoe tsy hahazo na inona na inona amiko hianao. Hanky va re hoy ny mpianatra. Aminy dia tsy maintsy handeha amin’izay io vehivavy io. Tsy izany anefa no nantenain’i Jesosy tamin’ny mpianany ary ilay vehivavy koa tsy mety niala rahateo. nakarin’i Jesosy ny fiatsiana ka dia nohariny tamin’ny amboa (alika) ravehivavy. Raha olona hafa dia efa ela izy no niala. Eto anefa na dia izany aza mbola nijanona sy nagataka ihany ilay vehivavy kananita.

Mba hahazoatsika manaraka izay eritreritr’i Jesosy dia handeha hijery ireo teny voalahatra ho toriana tamin’ny heriny isika. Voalaza ao amin’ny filazantsaran’i Matio toko faha 14 ny andininy faha 31 ny teny mafy nataon’i Jesosy tamin’i Petera hoe : « Ry kely finoana ». Ary ny teny tamin’ny tapa-bolana dia famokisana ny olona tsy omby dimy arivo izay tsy nahatakatra ny hevitry izany. Koa na ho an’ny mpianatra na ho an’ny jiosy izay teo dia tian’i Jesosy ny hahatakaran’izy ireo ny fampitaha nataony. Fampitaha amin’izy Jiosy sy ity vehivavy kananita ity. Fa mihoatra noho izany ny fampitaha ny fionoany izy jiosy sy ity vehivavy jentilisa ity. Toa hita mibaribary eto ny fisogandinan’ity vehivavy ity sy ny finoany. Fampitahaba ny finoana kely nananan’ny mpianatra sy ny jiosy sy ity vehivavy kananita ity sy ny finoany. Raha ny tokony ho izy dia ny mpianatra sy jiosy nanatrika teo no hilaza izay nolazain’i Jesosy hoe : »Ravehivavy lehibe ny finoanao » Tsy afaka tsy hamaly ny fangatahan’ity vehivavy kananita ity Jesosy ka hoy Izy : » Tongava aminao araka izay irinao ». Ho an’i Jesosy zava-dehibe ny finoana. Ary ny anton’ireo fahagagana betsaka nataony dia ho amin’izany indrindra. Tsy manery ny olona hino Jesosy. Fahafahan’ny tsirairay io. Nefa kosa ny tsy finoana dia manapaka ny fahasoavana tiany omena ny tsirairay. Raisitsika ohatra amin’izany ny tananan’i Nazareta. Satria tsy nino an’i Jesosy ho zank’Andriamanitra ny olona tao Nazareta dia tsy nanao fahagaga tao Nazareta Jesosy.

Fa andeha hijery izay mitranga amitsika kosa. Impiry impiry moa no mihevitra isika fa tsy mamaly vavaka antsika Andriamanitra. Ny fandiniana ity tantara ity no hahazoatsika valiny angamba raha halalinitsika tsara.

Hitatsika fa tsy tokony ho maimaika foana isika. Toa tena tsy misy fo Jesosy eto. Tsy namaly an’ilay vehivavy izy, dia nandaha mihitsy ary farany aza naneso ani’ity vevivahy nangataka taminy ity.

Na dia izany aza ny zavatra nitranga hita kosa fa nisy fifandraisana tao amin’i Jesosy sy ilay vehivavy kananita. Ny fefy nataon’i Jesosy dia vao maika nampitombo ny finoan’ity vehivavy ity.

Fa ho anao kosa ry havana ny tsy fisin’ny valim-bavaka ve vao maika mampitombo ny finoanao sa manesika anao tsy hino ny fisin’Andriamanitra ?

Tamin’i Jesosy zava-dehibe ny finoana. Nandalo sedra telo ity vehivavy ity izany hoe fangatahana tsy nisy valiny nefa naharitra dia nanjary modely ho an’ny mpianatra izay kely finoana. Ary Jesosy aza nidera azy ka nanao hoe « Ravehivavy lehibe ny finoanao. » Mba izaho hono no lazain’ny Tompo izany.

Impiry nivavaka ianao ary impiry nahazo valim-bavaka. Raha tsy tonga ny valim-bavaka kivy ve ka tsy mamerina intsony. Na milaza mihitsy fa tsy misy Andriamanitra. Nefa saino fa sao tahaka an’i Petera ka kely finoana. Fa aoka ho tahaka an’ity Vehivavy kananita ity ka mbola mino hatrany fa hahazo valim-bavaka. Tsy izany ihany fa indrindray toa tsy mitondra soa akory ny fivavahana. Toa vao maika fahafam-baraka, eso sy latsa no azo aminy. Firy amin’ny kristiana noho mbola tavela hanaraka ny Tompo foana. Misy ny hahazo zavatra tahaka ny jiosy nomena mofo sy hazan-drano ihany no hanarahany ny Tompo. Fa misy ny olona tsy hahazo valim-bavaka mihitsy, satria mety hanimba azy izany ka tsy omen’ny Tompo. Indraindray ny olona tahaka ny ankizy kely mitady hilalao antsiny nefa io antsy io mety handratra azy.

Tena teolojia be mihitsy ity tantara ao amin’ny Filazantsara ity. Tanteraka eto izay voalazan’i Paoly ao amin’ny Epistily ho an’ny Romana 1 : 16 : »Fa tsy menatra ny Filazantsara aho fa herin’Andriamanitra hamonjena izay rehetra mino izany ho an’ny Jiosy aloha dia vao ho an’ny Jentilisa koa. » Tsy noteren’i Jesosy hanaraka ny fombafomba Jiosy ity vehivavy kananita ity vao hahazo izay nangatahany fa ny haben’ny finoany dia ampy namonjena ny zanany.

Ny zava-mitranga ao amin’ny fiainana tsy natao hahakivy fa tokony vao maika ho fanotra hampitombo ny finoana ary izay no hahatonga ny valim-bavaka andrandraitsika.