TENY ho vakiana

Isaia 22.19-23

Romana 11.33-36

Matio 16.13-20

Raha nanaraka ireo teny notoriana nandritry ny roa tokom-bolana isika dia hita fa nitondra ny mpianany niataka kely Jesosy. Nandeha nita ny farihin’i Genesareta Izy sy ny mpianany mba hitokana no narahan’ny olona nandeha an-tongotra no hitatsika tamin’ny roa tokom-bolana. Rehefa avy namoky ny olona tsy omby dimy arivo indray Jesosy dia niakatra tany an-tendrom-bohitra avy eo ary dia namonjy ny mpianatra teny ambony rano tamin’ny tapa-bolana. Niala an’i Palestina izy avy eo ka nakany Tyro sy Sidona nanasitrana ny zanak’ilay kanananita tamin’ny heriny androany. Ny teny natokana hodinihina anio dia nakany Kaisaria Filipo Jesosy sy ny mpianany. Ny hita dia niala ny toerana be olona Jesosy sy ny mpianany raha nandeha tany an-tsisi-tany. Ny antony dia ny mba hampitombo ny finoan’ny mpianany. Hitatsika tamin’ny heriny fa noteren’i Jesosy hanao fampitaha ny mpianatra. Fampitaha ny finoany sy ny an’ny hafa. Ary tamin’izay dia ny an’ilay vehivavy kananita. Tsy voalaza na hatraiza ny nahatsapan’ny mpianatra, indrindra moa fa i Petera, ny tsy fahampin’ny finoanay.

Androany anefa dia noteren’i Jesosy indray izy ireo hanao fampitahana. Ary ny fampitahana dia ny fiheverana, na ny marimarina kokoa, ny finoana an’i Jesosy. Izy ireo no nasain’i Jesosy nijery sy nampitaha ny fiheveran’ny olona Azy sy ny fiheveran’izy mpianatra. Sahy ihany Jesosy satria tamin’ny heriny tsy fantatra na dia nahatsapa ny finoany ny mpianatra na tsia. Ho antsika mpanatrika manahy isika. Jesosy kosa toa nahatoky ny mpianatra ka tsy nisalsala nanotany. »Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?  » Angamba samy nifandrombaka namaly. « Ataon’ny olona ho Elia, Jeremia, ny mpaminany.  » Tonga amin’izay ny fampitaha : Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ? Petera ilay voalaza ho kely finoana tamin’ny tapa-bolana no namaly : « Hianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona. » Tsy nampanahy an’i Jesosy no nametraka ny fanotaniana satria fantany ary nolazainy fa tsy nofo aman-dra no nilaza an’i Petera izany fa ny Raiko izay any an-danitra hoy Izy. Zavatra telo lehibe no voalazan’i Petera : 1°) Hianao no Kristy izany hoe Mpamonjy. 2°) Zanak’Andriamanitra 3 °) Zanak’Andriamanitra velona. Fanekem-pinona re izany ! Ary olona manana finoana tahaka izany no nilain’i Jesosy ka hoy Izy tamin’i Petera : « Eo ambonin’ity vatolampy ity (Petera io)no haoriko ny fiangonako. » Nisy vokany ny fampianarana nataon’i Jesosy satria i Petera ilay kely finoana lasa vatolampy fanorenana.

Aoka hazava raha izany fa an’i Jesosy ny Fiangonana. Ary misy fifandraisana matanjaka ao amin’i Jesosy sy ny Fiangonana. Mazàna no lazaina fa ny vady, na ny ondry, na ny voaloboka, na ny tenan’i Kristy mihintsy aza ny fiangonana. Tsy mitombona noho izany ny fireharehantsika hoe : « Ny fiangonanay na ny fiangonan-drazanay ». Mpisandoka ihany isika raha hilaza izany. Fahita fa raha mitady hanova zavatra ny Mpitandrina tsy araky ny nentin-drazana dia hanaovana latsa-batom-pitokisana. Nametrahana ihany ny Fiangonana isika fa tsy tompony akory. Mpiandry omby volavita tsy tompony fa mpamerin-doha.

Vao avy nanao ny fanekem-pinoany i Petera dia nametrahana andraikitra : »Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra ka na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. » Ireo andraikitra nomena an’i Petera io dia azo fehezina amin’ny teny dimy : 1°) vatolampy, 2°) fiangonana izay fikambanan’ny olom-boantso napetraka eo amboniny 3°) varavarana , ary Petera no natao hiambina izany, varavarana izay tsy resin’ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita 4°) fanalahidy izay manambara ny fahefana 5°) fehezina sy vahana manambara ny maha tompon’andraikitra.

Tahaka an’i Petera dia nomena ireo andraikitra ireo koa ianao. Sahy Jesosy nanome anao ireo andraikitra ireo. Nefa natoky anao izy. Andraikitra anie izany re olona e ! Jesosy tsy nilaza hoe :  » na inona na inona fehezin’Andriamanitra ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ; ary na inona na inona vahan’Andriamanitra ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. Napetra aminao izany andraikitra izany. Noho izany andry ao amin’ny Fiangonana ianao satria hiantoka ny hidiran’ny rehetra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho azonao hatao ny hilaza hoe : hivavaka fotsiny aho dia ampy izay fa mila anao hametrahany ny Fiangonany ny Tompo.