ISAIA 61.1-11

1 Tesaloniana 5.16-24

Jaona 1.6-8,19-28

Miditra amin’ny alahady fahatelo ny advento isika androany. Ny tsapa raha jerena ireo teny natao ho dinihina tamin’ity advento 2008 ity dia naompana indrindra amin’ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa izany. Angamba tsy dia mahagaga loatra satria inona indray moa ny fanomanana tsara ny fiavian’ny Tompo mihoatra ilay nirahana hialoha Azy. Saika hita ao amin’ireo Filazantsara efatra raha mitantara an’i Jaona izy izay voalaza aoa amin’ny bokin’i Isaia Mpaminany hoe : « Injany misy dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe : Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah ».

Fa ny anakiray faharoa tsapa koa raha mijery ireo teny ao amin’ny Filazantsara isan’Alahady isika dia hita misoritra ao ny maha tsy ao an’Andriamanitra. Ara-tantara dia marina tokoa izany. Ho an’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa koa dia tsaroany tokoa izany tsy nahateo an’Andriamanitra izany. Efa ho 400 lasa no nisy Mpaminany farany ary I Malakia io mpaminany farany io. Hatramin’izay dia toa tsy niteny intsony Andriamanitra. Nony nitranga i Jaona Mpanao Batisa dia maika ny olona ka nanotany azy hoe : Hianao va no Kristy ? Tsotra ny valiny nomen’i Jaona : « Tsy izaho no Kristy fa… eto aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo …tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. » Jaona 1 : 26-27 . Hay Andriamanitra tsy lavitra antsika akory fa eo ihany Izy saingy tsy hitantsika na tsy fantatsika. Takony ny rendrarendran’izao tontolo izao Izy ka tsy hitantsika. Merenin’ny horakorak’izao tontolo izao isika ka tsy re intsony ny feony.

Nitohy ihany ny fanotaniana napetrakan’ny Jiosy :  » Elia va hianao ?… Ilay Mpaminany va hianao ? » Valiny : « Tsy izy aho… Fa iza ary hianao … Izaho ny feon’ny miantso mafy any an’efitra. » Jaona 1 : 20-23. Tena nanetry tena Jaona. Tsy nanaiky hanararaotra ny resaka mba hahazoana voninahitra izy. Ny nasesiny dia io teny farany io hoe : feon’ny miantso mafy any an’efitra. Dia hoy isika angamba raha lazaina hoe Elia i Jaona Mpanao Batisa dia tsy marina izany fa ahoana kosa no tsy nanekeny ho ny Mpaminany. Mpahazo antsika ny manora-tena mazàna. Tsy hanotaniana akory dia maika ery hilaza ny hoe : Pasitera aho, Diakona aho sns… Angamba tsy misy maharatsy izany saingy takonantsika Andriamanitra ka isika no tiantsika haseho mialoha. Miteny matetika isika hoe : Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Saingy am-bava ihany izany indraindray.

Fa rehefa nilaina kosa tamin’ny Jaona ny anambara ny iraka nasaina nataony dia sahy izy nilaza izany ka nijoro na dia nanolona ny fahafatesana aza nilaza ny marina. Ny anjarany dia ny miteny. Eto amin’ny resaka nifanaovana dia ho azony natao ny nilaza vali-teny mety ho nahafinaritra ireto nanotany azy, saingy tsy nanao izany izy.

Rehefa tanteraka ny iraka nasaina nataony dia tsy nisalasala izy niteny sy nanondro ilay avy aoriany : « Izaho manao batisa amin’ny rano ; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho ». Izany no toetra tsara nananan’i Jaona Mpanao Batisa dia ny hijoro ho vavolombelona hanambara ny Mazava mba hinoan’ny olona rehetra Azy.

Nijanona hatrany tamin’ny toerany i Jaona Mpanao Batisa dia ny toeran’ny mpialoha lalana. Nijanona ho ny feo ihany izy. Anjaratsika ny manaiky tahaka azy, hijanona ho ny mpanompo ihany ary ny mpanompo tsy nahasoa aza satria tsy vitatsika mazàna ny iraka napetraka tamitsika.