TENY ho vakiana

Joba 19.1,23-27

1 Korintiana 15.51-57

Jaona 5.24-29

Raha omaly no andro natokana ho fetin’ny olo-masina ny androany kosa dia ny fetin’ny maty. Ary raha miresaka faty na maty isika dia ny ao an-tsaina voalohany dia zavatra na ny fotoana mampatahotra indrindra ny olona. Zava-miafina amin’ny olombelona ny ao ambadik’izao hita izao hany ka mampatahotra azy. Misy ary miha-maro ireo izay mino ny atao hoe : reincarnation. Izany hoe ny fiverenana aty an-tany amin’ny fandraisana nofo hafa. Lavaka mangitsokitsoka ny fahafatesana koa dia mora azon’ny fisainana hafahafa tahaka izany na dia ny kristiana aza. Nefa dia hevi-diso izany ka tsy mahavaly ny fanotaniana hapetratsika amin’ny any an-koatra. Ny olona rehetra na inona nainona finoany na inona nainona fiaviany dia tsy manaiky ny hanjavona fotsiny izao ao aorinan’ny fahafatesana. Na dia ny olona tsy mino an’Andriamanitra aza no hanotaniana hoe :

« Mankaiza ianao aorinan’ny fahafatesana dia mazàna mamaly hoe : « Tsy fantatro ». Nefa ve dia afaka hiaina miadana isika raha tsy mahalala izay aleha. Ireto andininy vitsisitsy ireto, izay voalahatra ho dinihina androany no manambaran’i Jesosy izay halehatsika aorinan’ny fahafatesana. Hoy Izy : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. »

Indraindray dia manome tsiny an’Andriamanitra isika ka milaza hoe : « Nahoana no nataonao ho faty no hiafaran’ny fiainan’ny zanak’olombelona ? Nahoana no tsy nataona haharitra eto ambonin’ny tany Izy ? I Adama sy Eva dia nihevitra ho afaka tamin’ny fahafatesana rehefa nilazan’ny menarana fa tsy faty raha mihina ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha. Nefa izay no nitarika ny fahafatesana. Hoy ny Soratra Masina : « ny fahafatesana no tambin’ny ota ». Nefa tsy navelan’Andriamanitra hijaonana ao amin’izany fahafatesana izany isika, fa hitsofoka hatrany am-pasana Izy hanala antsika any. Hoy Jesosy : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Avy ny andro ary tonga ny ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra » ary koa « fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony »

Raha tapahitsika antenatenany ny fikasan’Andriamanitra, ka avelatsika eo amin’ny fisin’ny fahafatesana dia ho very hevitra sy hangovitra isika eo anatrehan’ny fahafatesana. Hoy Paoly apostoly : « Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. .. Fa tsy maintsy manjaka Izy (Jesosy), mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

Saingy misy tambiny ny fahazoatsika izany ary Jesosy no nilaza izany ka hoy Izy : « Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay » miankina amin’ny finoantsika izany no hahazoatsika ny fianana. Na dia ao aza ny fanotaniana apetratsika, na dia ao aza ny fisalasalana dia mahazo matoky isika fa hanome fiainana ho antsika ny Tompo. Koa na dia ao aza ny fahafatesana mino isika fa tohatra ihany izany hahatongavana any amin’ny tsara indrindra. Koa na inona na inona lazain’ny olona ny avy aorinan’ny fahafatesana, na dia tonga aza ny ora farany ka hasitrika any am-pasana ny nofotsika Jesosy no niteny fa hitsofoka any Izy ka hiteny amitsika ary dia hiala ao amin’ny fasana isika.