Fisaorana an’Andriamanitra no voalohany raha afaka milaza fa velona nandritra ny 90 taona ny Tily eto Madagasikara . Noho ny fahasoavany sy ny fitiavany no naha tanteraka izao fankalazana izao. Maro ny olona nifamdimby tamin’ny sampana Tily : ankizy, tanora, lehibe.

Ambatomanga no nandray izany lasy lehibe izany. Toerana manana ny lazany indrindra amin’ny fitaizana. Anisan’izany ny fanomanana mpampianatra sy ny toeram-panomanana mpitandrina « Sekoly pastoraly » alohan’ny hifindran’io eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato. Misy ao koa ny fampianarana sy famokarana « fromage ». Vao haingana dia niorina ny fiangonana vaovao lehibe.

15000 no isan’ny mpikambana ao amin’ny sampana Tily manerana ny nosy no tonga teny. Nisy teo amin’ny 90 ny avy tany Frantsa .Tsara dia tsara ny fitsinjarana ny toerana hivatanan’ny rehetra . Deraina tokoa ny mpikarakara tamin’izany . Ho an’ny vahiny mitsidika ny lasy dia efa misy toerana hisakafoanana voaomana ny amin’izany. Hita taratra tao koa ny Tily tranainy sasantsany . Mahafinaritra tokoa fa tarehy mirana hatrany no hita.

Samy safononoky ny hafaliana ny rehetra. Ny fanompoam-pivavahana famaranana ny lasy dia natao teo ankalamanjana satria marobe ny olona.

Ny fahitana ireo tanora marobe ireo dia manome hery hijoro amin’ny asan’ny Fiangonana. Miasa ny Fanahy Masina na dia mandalo fotoan-tsarotra aza Madagasikara. Tantara lehibe iray ho an’ny Fiangonana eto Madagasikara iny fotoana iny.

Fanasana Jobily Tily eto Madagasikara
Fanasana
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Fiangonana vaovao Ambatomanga-
toeran-dasy-
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Fitsenan’ny mpilasy
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Falifaly ho any am-piangonana
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Tily tranainy miaraka @ mpiandraikitra
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Hifarana ny lasy.Veloma mandrapihaona
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Izy mianaka
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Mpitsidika ny lasy
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Mpilasy
Photo © Julia Darsot
Tily eto Madagasikara faha 90 taona
Mankany @ toeran-dasy
Photo © Julia Darsot