Ity fankalazana ity dia nanomboka tao amin’ny Fiangonana FJKM Betafo (7 sept.), avy eo ao FJKM Anosivavaka (8sept.), ary nifarana tao amin’ny FJKM Anosisoa (9sept.).

Ny Foibe FJKM no miandraikitra ny fotoana ary napetrany tamin’ny Sampanasa AFF(Asa Fitoriana ny Filazantsara) ny fiandraiketana izany.

Nisy filaharan’ny mpiandry natokana tamin’io 8 sept. io. Ireo mpiandry ireo dia avy amin’ny lafy valo. Notronin’ny kristiana niaraka tamin’izy ireo.

Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no niainga teo amin’ny FJKM Ambodimita ny filaharan’ny mpiandry. Nitombo ny isan’olona mpilahatra satria nanampy tamin’izany ireo avy amin’ny FJKM Ambodihady, FJKM Anosisoa, FJKM Ambohimanandray. Niampy an’ny FJKM Antanety. Tonga koa ny avy any FJKM Ambohimandroso ary FJKM Betafo. Nahafinaritra ny nahita fa tena nilamina. Nanaja izany filaharana izay tokoa ny mpamily fiarakodia rehetra sehatr’izany ka namela azy ireo nizotra soamantsara. Isaorana azy ireo tokoa izany. Tsy nitsahatra nihira izy ireo teny am-pandehanana. Lavidavitra ihany Ambodimita sy Anosivavaka. Indrindra ho an’izay efa be taona. Nefa dia namitrivika daholo ny fijery azy ireny. Isaorana ny Tompo noho izany.

Heveriko fa mila fahavononana sy fahasahina vao afaka mantanteraka izany. Satria anisan’ny fijoroana vavolombelona amin’ny finoana kristiana. Na dia indray mandeha isan-taona aza izany. Zava-dehibe eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana eto Madagasikara io vanompotoana io

Raha ny fandehan’ny fiainan’ny tsirairay izay sarotra isan’andro dia heverina fa mety ho hadino io fotoana io. Nefa tsy izany no mitranga.

Rahefa tonga teo amin’ny FJKM Anosivavaka ny mpilahatra dia tsy nivatana tao am-piangonana fa niditra tao an tokotanintsekoly protestanta Anosivavaka (Madera).

Ao ambadik’io Sekoly io mantsy dia misy toerana lehibe iray izay naorin’ny FJKM Anosivavaka handraisana fankalazana na hanaovana fampisehona an-dapihazo ka mahazaka 3000 olona. Teo no toerana nanaovana ny fanompoampivavahana ny maraina satria tsy omby intsony ny ao am-piangonan’Anosivavaka.

Vao maraina be tokony tamin’ny 6 ora maraina dia efa nisy ireo mpikarakara ny vahiny sy mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana no nifamaofao namboatra sehatra ho an’ny mpitarika sy hipetrahan’ny mpiandry izay hatokana.

Rehefa tonga ny rehetra dia feno tokoa ilay toerana izay antsoin’ny rehetra hoe « Gradin ». Tahaka ny eny Antsahamanitra izy io. Ary hafa kely. Satria tsy maintsy mifantoka tsara amin’izay hatrehana ny saina ka tsy ho voarebireby. Satria ho an’izay toerana avo dia mahita ny tananan’Antananarivo miaraka amin’ireo trano mijoalajoala. Tsy ilaozan’izay eritreritra hoe : fahiny tsy nisy izao tanana izao fa vitsy ny trano. Ary ny tanimbary no teo taloha. Ny nankalaza ny 8 septambra voalohany dia nahafeno ny lalana mankany Ambohimanarina ka hatreny Soarano. Niova ny isan’olona manatrika. Ary ny tanana niova. Ny toeran hivavahana niova koa ka natao an-kalamanjana. Tsy misy izay maharatsy azy. Fa naiza n’aiza hitorina dia re eo ny Tenin’Andriamanitra. Ny fanahin’Andriamanitra koa miasa ao am-pon’ny tsirairay. Samy mandray sy mahazo izay tandrifiny azy.

Mbola nanakoako tokoa ny hira. Na ny hira fanampiny ao amin’ny Fihirana iraisana na zafindraony.

Nisy tokoa ny toriteny tao anatin’ny fanompoampivavahana ary tamin’ny filazan-drahara dia hita ny soritr’Asa izay ho tanterahan’ny Fifohazana amin’ny alalan’ny AFF. Tao koa ny fijorona vavolombelona. Ny fanokanana mpiandry moa dia notanterahana tamin’io fotoana maraina io. Nifarana am-pifaliana sy tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana ary no arahabaina ireo mpiandry voatokana. Mahafinaritra ery ny mahita ny fifalian’ny rehetra sy ny tsikitsikin’ireo izay natokana. Indrindra ireo izay avy lavitra). Nisy avy any Toliara. Mahatsiaro am-bavaka koa ny fianakaviana rehetra izay tsy afaka nanatrika izany.

Ny fandraisan ny Fanasan’ny Tompo dia notanterahina ny tolankandro tao am-piangonana kosa. Ary ny hariva dia nisy Antsam-panahy lehibe notanterahin’ny Fiangonana teo Ambohimanarina sy ireo vahiny avy any Vatotsara izay tsy hadino. Nafana dia nafana tokoa ny hira tamin’izany.

Nahafinaritra ary nitondra aim-panahy tokoa io fotoana io. Ny andro dia nibalika tamin’io fotoana io.An’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Mpitarika Fanompoampivavahana
Mpitarika Fanompoampivavahana
8 septambra fanokanana mpiandry
fanokanana mpiandry Photo © Julia Darsot
8 septambra Fampaherezana
Fampaherezana Photo © Julia Darsot
8 septambra Fifampiarahabana
Fifampiarahabana Photo © Julia Darsot
8 septembra Fifampiarahabana
Fifampiarahabana Photo © Julia Darsot
8 Septambra Fifampiarahabana
Fifampiarahabana Photo © Julia Darsot
8 septambra Fiarahabana
Fiarahabana Photo © Julia Darsot